INONA NO IRIANAO?
“Mitady zava-dehibe ho an’ny tenanao va ianao?”
Jeremia 45:5
Mitady zava-dehibe ho an’ny tenanao ve ianao? Tsy hoe mikatsaka ny ho olona lehibe, fa mitady zava-dehibe avy amin’Andriamanitra ho an’ny tenanao. Tian’Andriamanitra hanana fifandraisana akaiky kokoa Aminy ianao mihoatra noho ny fandraisana ny fanomezany, tiany hahafantatra Azy ianao. Mandalo fotsiny ny zava-dehibe iray, tonga izy ary lasa. Tsy manome antsika zavatra mandalo fotsiny mihitsy Andriamanitra. Tsy misy mora kokoa noho ny fananana fifandraisana marina amin’Andriamanitra afa-tsy rehefa tsy Andriamanitra no irinao fa izay omeny ihany.
Raha ny fangatahanao zavatra amin’Andriamanitra ihany no dingana efa nalehanao, dia tsy mbola tonga hatramin’ny tendrony voalohany amin’ny fahafoizan-tena tanteraka akory ianao, fa tonga kristianina avy amin’ny fomba fijerinao manokana. "Nangataka ny Fanahy Masina tamin’Andriamanitra tokoa aho, saingy tsy nomeny ahy ilay fitsaharana sy fiadanana nantenaiko." Eo no ho eo dia apetrak’Andriamanitra eo amin’ny antony ny rantsan-tanany — tsy mikatsaka ny Tompo mihitsy ianao, fa mitady zavatra ho an’ny tenanao. Hoy i Jesosy — "Mangataha, dia homena ianao." Angataho amin’Andriamanitra izay irinao, ary tsy afaka mangataka ianao raha tsy zavatra marina no angatahinao. Rehefa manatona an’Andriamanitra ianao, dia mitsahatra amin’ny fangatahana zavatra. "Fantatry ny Rainareo izay ilainareo, raha tsy mbola mangataka Aminy aza ianareo." Koa nahoana no mangataka? Mba hahafantaranao Azy.
Mitady zava-dehibe ho an’ny tenanao ve ianao? "Ry Tompo ô, ataovy batisa amin’ny Fanahy Masina aho." Raha tsy manao izany Andriamanitra, dia satria tsy ampy ny fahafoizanao tena tanteraka ho Azy, misy zavatra iray izay tsy hataonao. Efa voaomana hanontany ny tenanao ve ianao hoe inona no irinao avy amin’Andriamanitra ary nahoana no irinao izany? Tsy heverin’Andriamanitra mandrakariva ny fahatanterahana ankehitriny fa ny fahatanterahana farany no kendreny. Tsy ny hahatonga anao ho voatahy sy sambatra dieny izao no imasoany; ny fahatanterahany farany no tanterahiny ao aminao mandrakariva — "mba ho iray ihany izy ireo tahaka Antsika."