NY FIAKARANA AVO INDRINDRA
“Ento izao ny zanakao . . . ary atero any izy ho fanatitra dorana eo amin’ny iray amin’ireo tendrombohitra izay holazaiko aminao.”
Genesisy 22:2
Ny toetra no mamaritra ny fomba andikan’ny olona iray ny sitrapon’Andriamanitra (ampit. Salamo 18:25-26). Nandika ny didin’Andriamanitra i Abrahama ka nihevitra fa tsy maintsy hamono ny zanany izy, ary tamin’ny alalan’ny fanaintainan’ny fitsapana mahatahotra ihany no nahafahany nandao izany lovantsofina izany. Tsy nisy fomba hafa nahafahan’Andriamanitra nanadio ny finoany. Raha mankatò izay lazain’Andriamanitra araka ny finoantsika amin-kitsimpo isika, dia hanafaka antsika amin’ireo lovantsofina izay maneho Azy amin’ny fomba diso Andriamanitra. Maro ny finoan-kevitra toy izany tokony hialana, oh., esorin’Andriamanitra ny zaza iray satria tian-dreniny loatra — laingan’ny devoly izany! sady fanolanana ny tena toetran’Andriamanitra. Raha azon’ny devoly atao ny misakana antsika tsy hiakatra amin’ilay fiakarana avo indrindra sy tsy hiala amin’ireo lovantsofina diso momba an’Andriamanitra, dia hataony izany; fa raha mitoetra ho mahatoky amin’Andriamanitra isika, dia hoentiny hamakivaky fitsapana iray izay hamoaka antsika ho amin’ny fahalalana Azy bebe kokoa.
Ny hevi-dehibe tamin’ny finoan’i Abrahama an’Andriamanitra dia ny naha-voaomana azy hanao na inona na inona ho an’Andriamanitra. Teo izy mba hankatò an’Andriamanitra, na inona na inona finoan-kevitra notoheriny tamin’izany. Tsy mpifikitra fatratra tamin’ny faharesen-dahany manokana i Abrahama, raha tsy izany dia ho novonoiny i Isaka ary nolazainy fa feon’ny devoly ny feon’ilay anjely. Izany no toe-tsain’ny mafana fo tafahoatra. Raha mitoetra ho mahatoky amin’Andriamanitra ianao, dia hitarika anao hamakivaky mahitsy ny sakana rehetra Andriamanitra ho ao amin’ny efitra anatin’ny fahalalana Azy; kanefa misy foana io lafiny mahafoy ny faharesen-dahatra sy ny finoan-kevitra nolovaina io. Aza mangataka amin’Andriamanitra mba hizaha toetra anao. Aza milaza mihitsy toa an’i Petera — "Hanao na inona na inona aho, hiaraka Aminao ho amin’ny fahafatesana aho." Tsy nanao fanambarana toy izany i Abrahama, fa nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra izy, ary nodiovin’Andriamanitra ny finoany.