Fisaintsainana isan’andro

AOKA HO VONONA AMIN’NY FOTOANA

Aoka ho vonona amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana.

2Timoty 4:2

Maro amintsika no iharan’ny fironana ratsy tafahoatra ho vonona "tsy amin’ny fotoana." Tsy ny fotoana no tondroin’ny hoe amin’ny fotoana, fa isika — 'Aoka ho vonona amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana," na te hanao izany isika na tsia. Raha ny zavatra tiantsika hatao ihany no ataontsika, dia misy amintsika tsy hanao na inona na inona mandrakizay. Misy olona tsy azo ampiasaina eo amin’ny sehatra ara-panahy, olona efa osa ara-panahy, izay mandà tsy hanao na inona na inona raha tsy mahazo tsindrimandry mihoatra ny natoraly. Ny porofo fa mifandray tsara amin’Andriamanitra isika dia ny fanaovantsika izay tsara indrindra vitantsika na mahatsapa tsindrimandry isika na tsia.

Anisan’ny fandrika lehibe ho an’ny mpiasa kristianina ny fanaovana ireo fotoana tsy fahita firy eo amin’ny fiainany ho sampy. Rehefa omen’ny Fanahin’Andriamanitra fotoana hahazoana tsindrimandry sy fahitana lalina ianao, dia hoy ianao — "Ho toy izao ho an’Andriamanitra mandrakariva aho manomboka izao." Tsia, tsy ho toy izany ianao, hataon’Andriamanitra izay tsy hahatoy anao izany. Fanomezana avy amin’Andriamanitra tanteraka ireny fotoana ireny. Tsy azonao omena ny tenanao araka izay itiavanao azy ireny. Raha milaza ianao fa amin’ny fotoana maha tsara indrindra anao ihany no hiasanao, dia manjary enta-mavesatra tsy zaka ho an’Andriamanitra ianao; tsy hanao na inona na inona mihitsy ianao raha tsy ataon’Andriamanitra mahatsapa tsindrimandry mandrakariva. Raha manao ireo fotoana maha tsara indrindra anao ho andriamanitra ianao, dia ho hitanao fa hanjavona hiala amin’ny fiainanao Andriamanitra ary tsy hiverina raha tsy vitanao ny adidy akaiky anao indrindra, sady efa nianatra tsy hanao ireo fotoana tsy fahita firy ho sampy ianao.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana