Fisaintsainana isan’andro

NY FAMPITANDREMANA AMIN’NY FIREREHANA ARA-PANAHY

Kanefa aza mifaly amin’izao, fa manaiky anareo ny fanahy.

Lioka 10:20

Amin’ny maha mpiasa kristianina antsika, tsy ny fitiavana izao tontolo izao no fandrika ho antsika, tsy ny fahotana no fandrika ho antsika, fa ny firerehana ara-panahy, izany hoe: ny fakana tahaka ny endrika sy ny dian’ny vanim-potoana ara-pivavahana iainantsika, sy ny fandokafana ny fahombiazana ara-panahy. Aza mikatsaka na inona na inona afa-tsy ny fankasitrahan’Andriamanitra, fa mandehana "eny ivelan’ny toby, mitondra ny latsa natao Taminy." Nilaza tamin’ny mpianatra i Jesosy mba tsy hifaly amin’ny fahombiazan’ny fanompoana, kanefa izany indrindra no toa zavatra ifalian’ny ankamaroantsika. Manana fomba fijery ara-barotra isika — fanahy maro be no voavonjy sy nohamasinina, isaorana Andriamanitra, ka milamina izao ny zava-drehetra. Manomboka eo amin’izay nametrahan’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fototra ny asantsika; tsy hamonjy fanahy isika, fa hanao azy ireo ho mpianatra. Asan’ny fahasoavan’Andriamanitra manjaka ny famonjena sy ny fanamasinana; ny asantsika amin’ny maha mpianany antsika dia ny manao ny fiainan’ny olona ho mpianatra mandra-panolorany tena manontolo ho an’Andriamanitra. Ny fiainana iray manolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra dia sarobidy kokoa Aminy noho ny fiainana zato izay vao nofohazin’ny Fanahiny fotsiny. Amin’ny maha mpiasa ho an’Andriamanitra antsika dia tsy maintsy mampisy olona mitovy karazana amintsika ara-panahy isika, ary izany no ho vavolombelon’Andriamanitra momba antsika amin’ny maha mpiasa antsika. Amin’ny fahasoavany no itondran’Andriamanitra antsika ho amin’ny fari-piainana iray, ary tompon’andraikitra amin’ny fampisy izany fari-piainana izany ao amin’ny hafa isika.

Raha tsy miaina fiainana miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny mpiasa, dia mety ho lasa mpibaiko mahasosotra fa tsy mpianatra itoeran’i Kristy ao anatiny izy. Maro amintsika no mpibaiko, isika no mandidy ny olona sy ny fivoriana. Tsy mba mibaiko antsika amin’izany fomba izany mihitsy i Jesosy. Isaky ny niresaka momba ny maha mpianatra ny Tompontsika, dia nosantarany tamin’ny hoe "RAHA," fa tsy tamin’ny fanambarana hentitra — "Tsy maintsy manao izany ianao." Misy safidy ao amin’ny maha mpianatra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana