NY FIANKOHOFANA AMIN’NY ASA
“Mpiasa mikely aina miaraka amin’Andriamanitra.”
1Korintiana 3:9
Mitandrema amin’izay asa rehetra atao ho an’Andriamanitra ka ahafahanao misoroka ny fampifantohana ny sainao Aminy. Maro dia maro ny mpiasa kristianina mitsaoka ny asany. Ny hany tokony hokendren’ny mpiasa dia ny fampifantohana ny sainy amin’Andriamanitra, ary izany dia midika fa malalaka ireo sehatra hafa rehetra amin’ny fiainany, na ara-tsaina, na ara-pitondrantena na ara-panahy, amin’ny fahafahan’ny zaza, zaza mitsaoka an’Andriamanitra, fa tsy zaza maditra. Ny mpiasa tsy manana io fanamafisana lehibe sy manjaka ny fifantohana amin’Andriamanitra io dia mety hitondra ny asany ho enta-mavesatra eo an-tendany; tsy misy sehatra malalaka intsony ao amin’ny vatany, na ny sainy na ny fanahiny, ka farany dia trotraka sy torotoro izy. Tsy misy fahafahana, tsy misy fifaliana eo amin’ny fiainana; vesaran’ny enta-mavesatra mahakivy loatra ny hozatra, ny saina ary ny fo ka tsy afaka mitoetra ny fitahian’Andriamanitra. Marina toy izany koa anefa ny lafiny mifanohitra amin’izany — raha vao mifantoka amin’Andriamanitra ny saina, dia malalaka ny sehatra rehetra amin’ny fiainana sady eo ambany fanapahan’Andriamanitra irery ihany. Tsy ianao no tompon’andraikitra amin’ny asa; ny hany andraikitrao dia ny hihazona fifandraisana velona sy tsy tapaka amin’Andriamanitra, ary ny hitandrina mba tsy hamelanao na inona na inona hisakana ny fiaraha-miasanao Aminy. Ny fahafahana aorian’ny fanamasinana dia fahafahan’ny zaza, efa lasa ireo zavatra izay namatotra ny fiainana taloha. Kanefa tandremo tsara mba hahatsiaro fa zavatra iray ihany no nanafahana anao — dia ny hanolo-tena tanteraka ho an’ilay Mpiara-miasa aminao.
Tsy manan-jo hitsara izay toerana tokony hametrahana antsika isika, na hanana hevitra efa voaomana mialoha momba izay anomanan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra no mandamina sy mahatonga amim-pikendrena ny zavatra rehetra; na aiza na aiza ametrahany antsika dia ny handrotsaka fanoloran-tena amin’ny fo manontolo ho Azy ao amin’io asa manokana io no tanjontsika lehibe tokana. "Izay rehetra hitan’ny tananao hatao, dia ataovy amin’ny herinao."