NY FAHAZAVANA IZAY MATY
“Isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona mibanjina . . . ny voninahitry ny Tompo.”
2Korintiana 3:18
Tokony hahazaka fijoroana irery tanteraka ny mpanompon’Andriamanitra ka tsy hahatsapa akory fa irery izy. Amin’ireo dingana voalohany amin’ny fiainana kristianina dia tonga ny fahakiviana, ireo olona izay fahazavana ho antsika taloha dia mitsilopilopy ka maty, ary ireo niara-nijoro tamintsika taloha dia lasa. Tsy maintsy zatra izany isika ka tsy hahatsapa akory fa mijoro irery. "Nandao ahy ny olona rehetra . . . kanefa nijoro teo anilako ny Tompo" (2Timoty 4:16-17). Tsy maintsy aorintsika ny finoantsika, fa tsy amin’ny fahazavana mihamalazo, fa amin’ilay fahazavana izay tsy mety maty. Rehefa lasa ireo olona "lehibe" dia malahelo isika, mandra-pahitantsika fa tokony handeha izy ireo, ny hany sisa tavela dia ny fibanjinantsika tsirairay ny tavan’Andriamanitra.
Aza avelanao hisy na inona na inona hisakana anao tsy hijery an’Andriamanitra mahitsy eo amin’ny tavany momba ny tenanao sy ny fampianaranao, ary isaky ny mitory ianao dia ataovy izay hijerenao an’Andriamanitra eo amin’ny tavany momba ireo zavatra ireo aloha, dia hitoetra hatramin’ny farany ny voninahitra. Ny mpiasa kristianina dia olona mibanjina mandrakariva ny tavan’Andriamanitra ary avy eo mivoaka hiresaka amin’ny olona. Ny mampiavaka ny asa fanompoan’i Kristy dia voninahitra maharitra izay tsy tsapan’ilay mitondra azy. "Tsy fantatr’i Mosesy fa namirapiratra ny hoditry ny tavany raha niresaka Taminy izy."
Tsy nantsoina mihitsy isika mba hampideradera ny fisalasalantsika na hilaza ireo hafaliana lalina miafina eo amin’ny fiainantsika miaraka amin’Andriamanitra. Ny tsiambaratelon’ny fiainan’ny mpiasa dia ny fihazonany ny tenany hifanaraka feo amin’Andriamanitra mandrakariva.