Fisaintsainana isan’andro

NY FITIAVANA MIPOITRA HO AZY

Ny fitiavana mahari-po, sady mora fanahy . . .

1Korintiana 13:4-8

Tsy nokasaina mialoha ny fitiavana, fa mipoitra ho azy, izany hoe, mipoaka amin’ny fomba miavaka izy. Tsy misy fahazoana antoka ara-kajy ao amin’ny filaharan’i Paoly momba ny fitiavana. Tsy afaka milaza isika hoe — "Tsy hieritreritra ratsy intsony aho izao; hino ny zavatra rehetra aho." Ny fipoirana ho azy no mampiavaka ny fitiavana. Tsy apetratsika eo anoloantsika ho fenitra ireo tenin’i Jesosy; fa rehefa mahazo manatanteraka ny sitrapony ao amintsika ny Fanahiny, dia miaina araka ny feniny isika nefa tsy mahafantatra izany, ary rehefa mitodika any aoriana isika dia talanjona amin’ny tsy fitadiavan-tombontsoa ho an’ny tena tao amin’ny fihetseham-po iray manokana, izay manaporofo fa teo ny fipoiran’ny tena fitiavana ho azy. Amin’ny zavatra rehetra mikasika ny fiainan’Andriamanitra ao anatintsika, rehefa lasa ihany vao fantatra ny toetrany.

Ao amin’Andriamanitra, fa tsy ao amintsika ny loharanon’ny fitiavana. Tsy mitombina ny mitady ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pontsika amin’ny fomba voajanahary, tsy misy ao izany raha tsy efa naelin’ny Fanahy Masina ao am-pontsika.

Raha miezaka manaporofo amin’Andriamanitra ny halehiben’ny fitiavantsika Azy isika, dia famantarana azo antoka izany fa tsy tia Azy isika. Ny fipoiran’ny fitiavantsika Azy ho azy tanteraka no porofon’izany fitiavana izany, tonga ho azy izy. Rehefa mitodika any aoriana isika dia tsy haintsika lazaina izay antony nanaovantsika zavatra sasany, fa nataontsika araka ny toetran’ny fitiavany izay mipoitra ho azy ao anatintsika izany. Miseho amin’izany fomba mipoitra ho azy izany ny fiainan’Andriamanitra satria ao amin’ny Fanahy Masina ny loharanon’ny fitiavana. (Romana 5:5.)

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana