Fisaintsainana isan’andro

AFAKA MANENDRIKENDRIKA AN’ANDRIAMANITRA VE NY OLONA MASINA?

Fa ny teny fikasan’Andriamanitra rehetra ao Aminy dia eny, ary ao Aminy no Amena.

2Korintiana 1:20

Nitantara ny fanoharana momba ny talenta voarakitra ao amin’ny Matio 25 i Jesosy ho fampitandremana fa mety hitsara diso ny fahafaha-manaontsika isika. Tsy momba ny fanomezam-pahasoavana voajanahary ity fanoharana ity, fa momba ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ny Pentekosta. Tsy tokony handrefy ny fahafaha-manaontsika ara-panahy amin’ny fanabeazana na amin’ny saina isika; refesin’ny teny fikasan’Andriamanitra ny fahafaha-manaontsika amin’ny zavatra ara-panahy. Raha mahazo latsaka noho izay tian’Andriamanitra hananantsika isika, tsy ho ela dia hanendrikendrika Azy tahaka ny nanendrikendrehan’ilay mpanompo ny tompony: "Manantena mihoatra noho ny hery omenao ahy hanaovana izany Ianao; mitaky be loatra amiko Ianao, tsy afaka mijoro ho mahatoky Aminao eo amin’ny toerana ametrahana ahy aho." Rehefa momba ny Fanahin’Andriamanitra Tsitoha izany, aza manao mihitsy hoe "Tsy afaka aho." Aza avela hiditra mihitsy ny fetran’ny fahaizana voajanahary. Raha efa nandray ny Fanahy Masina isika, dia manantena Andriamanitra fa hiseho ato anatintsika ny asan’ny Fanahy Masina.

Nanamarina ny tenany tamin’ny zavatra rehetra nataony ilay mpanompo ary nanameloka ny tompony tamin’ny lafiny rehetra — "Tsy mifandanja mihitsy amin’izay omenao ny fitakianao." Efa nanendrikendrika an’Andriamanitra ve isika tamin’ny fahasahiana nanahy nefa Izy efa nilaza hoe: "Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ny fahamarinany; dia hanampy ho anareo ireo zavatra rehetra ireo"? Ny fanahiana dia midika indrindra izay nolazain’ity mpanompo ity — "Fantatro fa mikasa hamela ahy ho sahirana Ianao." Ny olona kamo voajanahary dia be fanakianana mandrakariva — "Tsy nahazo fahafahana mendrika aho," ary izay kamo ara-panahy dia be fanakianana an’Andriamanitra. Mandeha amin’ny lalana mahaleo tena mandrakariva ny olona kamo.

Aza hadinoina mihitsy fa ny teny fikasan’Andriamanitra no mandrefy ny fahafaha-manaontsika amin’ny raharaha ara-panahy. Mahay manatanteraka ny teny fikasany ve Andriamanitra? Miankina amin’ny hoe efa nandray ny Fanahy Masina ve isika ny valintenintsika.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana