MOA TSY METY HITRANGA NA DIA KELY AZA IZANY?
“Fa Joaba efa nivily nanaraka an’i Adonia, na dia tsy nivily nanaraka an’i Absaloma aza izy.”
1Mpanjaka 2:28
Nahazaka ilay fitsapana lehibe i Joaba, nitoetra ho mahatoky tanteraka sy marina tamin’i Davida izy ary tsy nivily nanaraka an’i Absaloma mahasarika sy fatra-paniry toerana, nefa na izany aza dia nivily nanaraka an’i Adonia kanosa izy nanakaiky ny fiafaran’ny fiainany. Mitoera ho mailo mandrakariva amin’ny zava-misy fa eo indrindra amin’ny toerana nihemoran’ny olona iray no mety hihemoran’ny na iza na iza (jereo 1 Kor. 10:13). Efa nandalo ilay fotoan-tsarotra lehibe ianao, koa mitandrema amin’ny zavatra kely indrindra; ampidiro ao amin’ny kajy ny "faritra nisitahan’ireo kely indrindra[1]."
Mora miteny isika hoe — "Tsy mety hitranga na dia kely aza fa rehefa avy nandalo ilay fotoan-tsarotra ambony indrindra aho, dia hiverina amin’ny zavatr’izao tontolo izao ankehitriny." Aza maminavina izay toerana hiavian’ny fakam-panahy, fa ilay zavatra heverina ho tsy mety hitranga indrindra no loza. Ao aorian’ny fifampiraharahana ara-panahy lehibe iray dia manomboka manan-kery ny "faritra nisitahan’ireo kely indrindra"; tsy manjaka izany, nefa tsarovy fa eo izany, ary raha tsy nampitandremana ianao, dia hahasembana anao izany. Nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra teo ambanin’ny fitsapana lehibe sy mafy ianao, koa mitandrema ankehitriny amin’ny riaka miafina. Aza mandinika ny ao anatinao amin’ny fomba mampahory, sady miandry ny hoavy amin-tahotra, fa mitoera ho mailo; ataovy mamirapiratra eo anatrehan’Andriamanitra ny fitadidianao. Fahalemena indroa heny ny hery tsy voaambina satria eo no itsentsen’ny "faritra nisitahan’ireo kely indrindra" antsika. Lavo teo amin’ny lafiny nahery azy ireo ireo olona ao amin’ny Baiboly, fa tsy teo amin’ny lafiny nalemy azy mihitsy.
"Tehirizin’ny herin’Andriamanitra" — izany ihany no fiarovana.