FAHAVONONANA
“Niantso azy Andriamanitra ary hoy izy, Inty aho”
Eksodosy 3:4
Rehefa miteny Andriamanitra, maro amintsika no tahaka ny olona ao anaty zavona, tsy mamaly isika. Ny valin’i Mosesy dia nanambara fa teo amin’ny toerana iray izy. Ny fahavononana dia midika fifandraisana mahitsy amin’Andriamanitra sy fahalalana ny toerana misy antsika ankehitriny. Sahirana loatra amin’ny filazana amin’Andriamanitra izay toerana tiantsika haleha isika. Ny lehilahy na vehivavy vonona ho an’Andriamanitra sy ny asany no mitondra ny loka rehefa tonga ny antso. Miandry isika sady mieritreritra fahafahana lehibe iray, zavatra manaitra, ary rehefa tonga izany dia mailaka isika hiantso hoe — "Inty aho." Isaky ny manjaka ambony i Jesosy Kristy, dia eo isika, nefa tsy vonona ho amin’ny adidy takona.
Ny fahavononana ho an’Andriamanitra dia midika fa vonona hanao ny zavatra bitika indrindra na ny zavatra goavana indrindra isika, tsy misy fahasamihafana izany. Tsy manana safidy momba izay tiantsika hatao isika, na inona na inona fandaharan’Andriamanitra dia eo isika, vonona. Rehefa miseho ny adidy rehetra dia mandre ny feon’Andriamanitra isika tahaka ny nandrenesan’ny Tompontsika ny feon’ny Rainy, ary vonona ho amin’izany isika amin’ny fahamailoana rehetra avy amin’ny fitiavantsika Azy. Manantena hanao amintsika tahaka izay nataon’ny Rainy taminy i Jesosy Kristy. Afaka mametraka antsika amin’izay tiany Izy, amin’ny adidy mahafinaritra na amin’ny adidy ambany, satria ny firaisana dia an’ny Ray sy Izy tenany. "Mba ho iray izy ireo, tahaka ny maha-iray Antsika."
Aoka ho vonona amin’ny famangian’Andriamanitra tampoka sy mahagaga. Tsy mila miomana mihitsy ny olona vonona. Eritrereto ny fotoana lanintsika miezaka hiomana nefa efa niantso Andriamanitra! Ny kirihitra nirehitra dia tandindon’ny zavatra rehetra manodidina ny fanahy vonona, mirehitra amin’ny fanatrehan’Andriamanitra izany.