Fisaintsainana isan’andro

NY VOZONA NA TSY MISY

Ary rehefa ren’i Simona Petera fa ny Tompo izany, dia nasiany ny akanjon’ny mpanjono . . . ka nirotsaka tao an-dranomasina izy.

Jaona 21:7

Efa nandalo fotoan-tsarotra izay nahafoizanao tanteraka ny zavatra rehetra amim-piniavana sy amin’ny fomba hentitra ary tsy tamim-piheverana ve ianao? Fotoan-tsarotry ny sitrapo izany. Mety ho tonga eo aminy imbetsaka etỳ ivelany ianao, nefa tsy misy vokany izany. Tratrarina ao anaty ny tena fotoan-tsarotra lalina amin’ny fahafoizan-tena tanteraka, fa tsy etỳ ivelany. Ny famoizana zavatra ivelany dia mety ho famantarana fa ao anatin’ny fanandevozana tanteraka.

Efa natokanao an’i Jesosy Kristy amim-pikendrena ve ny sitraponao? Fifampiraharahan’ny sitrapo izany, fa tsy an’ny fihetseham-po; ravaka volamena manodidina ny fifampiraharahana[1] fotsiny ny fihetseham-po. Raha avelanao hialoha ny fihetseham-po, dia tsy hanao ilay fifampiraharahana mihitsy ianao. Aza manontany an’Andriamanitra izay tokony ho fifampiraharahana, fa ataovy izany momba ilay zavatra hitanao, na eo amin’ny toerana marivo na eo amin’ny toerana lalina.

Raha efa nandre ny feon’i Jesosy Kristy teny ambonin’ny onja lehibe ianao, avelao hoentin’ny rivotra ny fandresen-dahatrao, avelao hoentin’ny rivotra ny tsy fiovaovanao, nefa hazòny ny fifandraisanao Aminy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana