Fisaintsainana isan’andro

NAHOANA ISIKA NO TSY LAZAINA MAZAVA?

Nandidy azy ireo Izy mba tsy hilaza amin’olona izay zavatra hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.

Marka 9:9

Aza milaza na inona na inona mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ao anatinao — mandra-panjakan’ny fiainan’i Kristy nitsangana tamin’ny maty aminao ka hahatakaranao izay nampianarin’i Kristy ara-tantara. Rehefa tonga amin’ny toe-javatra mahitsy ao anaty ianao, dia mazava loatra ny teny nolazain’i Jesosy ka gaga ianao fa tsy nahita izany taloha. Tsy afaka nahatakatra izany taloha ianao, tsy teo amin’ny toerana ara-toe-panahy izay nahafahanao nizaka azy.

Tsy manafina ireo zavatra ireo ny Tompontsika; tsy zaka izy ireo mandra-pidirantsika amin’ny toe-piainana ara-panahy sahaza. "Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny izany." Tsy maintsy misy firaisana amin’ny fiainany nitsangana tamin’ny maty vao afaka zakantsika ny teny voafaritra manokana iray. Mahafantatra zavatra momba ny fampitana ny fiainan’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty ve isika? Ny porofo fa mahafantatra izany isika dia ny fahatongavan’ny teniny ho azo takarina amintsika. Tsy afaka manambara na inona na inona amintsika Andriamanitra raha tsy manana ny Fanahiny isika. Ny fijery mafy hatoka dia tena hahatanteraka ny fisakanana an’Andriamanitra tsy hanambara na inona na inona amintsika. Raha efa nanapa-kevitra momba ny fampianarana iray isika, dia tsy ho tonga amintsika intsony eo amin’izany lalana izany ny fahazavan’Andriamanitra, tsy afaka mandray izany isika. Hifarana avy hatrany io dingana donto saina io [rehefa] avela hanjaka amintsika ny fiainam-pitsanganany amin’ny maty.

"Aza milaza amin’olona . . . " — maro tokoa no milaza izay hitany teo amin’ny tendrombohitry ny Fiovan-tarehy. Nahazo ny fahitana izy ireo ary mijoro ho vavolombelona momba izany, nefa tsy mifanaraka amin’izany ny fiainana, tsy mbola nitsangana tao anatin’izy ireo ny Zanak’olona. Manontany tena aho hoe rahoviana Izy no hiforona ao anatinao sy ato anatiko?

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana