Fisaintsainana isan’andro

NY FIFANDONA EO AMIN’ANDRIAMANITRA SY NY FAHOTANA

Izy tenany no nitondra ny fahotantsika tao amin’ny tenany teo amin’ny hazo.

1Petera 2:24

Ny Hazofijalian’i Jesosy no fanambarana ny fitsaran’Andriamanitra ny fahotana. Aza milefitra mihitsy amin’ny hevitra momba ny fahafatesana maritiora mikasika ny Hazofijalian’i Jesosy Kristy. Fandresena lehibe indrindra izay nampihorohoro ny fanorenan’ny helo ny Hazofijaliana. Tsy misy azo antoka kokoa ao amin’ny Fotoana na ao amin’ny Mandrakizay noho izay nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny Hazofijaliana: naveriny ho amin’ny fifandraisana mahitsy amin’Andriamanitra ny taranak’olombelona manontolo. Nataony ho fototry ny fiainan’ny olombelona ny Fanavotana, izany hoe, nanamboatra lalana hahafahan’ny zanak’olombelona tsirairay miditra amin’ny firaisana amin’Andriamanitra Izy.

Tsy nitranga tamin’i Jesosy ny Hazofijaliana: tonga Izy ho amin’izany indrindra. Izy no "Zanak’ondry novonoina hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao." Ny hevitra manontolon’ny Fahatongavan’i Kristy ho Nofo dia ny Hazofijaliana. Mitandrema sao sarahina ny Andriamanitra naseho tao amin’ny nofo sy ny Zanaka tonga ota. Ny Fanavotana no anton’ny Fahatongavan’i Kristy ho Nofo. Tonga nofo Andriamanitra mba hanaisotra ny fahotana; tsy ho amin’ny fampanjary ny tena. Ny Hazofijaliana no ivon’ny Fotoana sy ny Mandrakizay, ny valin’ny zava-miafina amin’izy roa.

Tsy hazofijalian’olona ny Hazofijaliana fa Hazofijalian’Andriamanitra, ary tsy azo ampanjary tena zava-misy amin’ny zavatra iainan’ny olombelona mihitsy ny Hazofijalian’Andriamanitra. Ny Hazofijaliana no fampisehoana ny toetra voajanaharin’Andriamanitra, vavahady izay ahafahan’ny olona tsirairay amin’ny taranak’olombelona miditra ao amin’ny firaisana amin’Andriamanitra. Rehefa tonga eo amin’ny Hazofijaliana isika, dia tsy mamakivaky azy; mitoetra ao amin’ny fiainana izay ivavahadin’ny Hazofijaliana isika.

Ny Hazofijalian’i Jesosy no ivon’ny famonjena, ary ny antony mahamora tokoa ny fahazoana famonjena dia satria lafo loatra tamin’Andriamanitra izany. Ny Hazofijaliana no teboka iombonan’Andriamanitra sy ny olona mpanota amin’ny fifandonana mafy ka misokatra ny lalana mankany amin’ny fiainana — nefa ao amin’ny fon’Andriamanitra ilay fifandonana.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana