Fisaintsainana isan’andro

NY FIJALIANY MAFY SY NY FIOMBONANTSIKA

Dia tonga niaraka tamin’izy ireo teo amin’ny tany atao hoe Getsemane i Jesosy, ka hoy Izy tamin’ny mpianatra, mitoera eto ianareo, ary miaraha miambina Amiko.

Matio 26:36, 38

Tsy ho takatsika velively ny halalin’ny fijaliana mafy tao Getsemane, nefa farafaharatsiny tsy tokony ho diso fahazoana azy isika. Izany no fijaliana mafin’Andriamanitra sy ny Olona ao amin’ny iray, mifanatrika amin’ny fahotana. Tsy mahalala na inona na inona momba an’i Getsemane amin’ny zavatra niainantsika manokana isika. Maneho zavatra tsy manam-paharoa i Getsemane sy Kalvary; izy ireo no vavahady hidirantsika ao amin’ny Fiainana.

Tsy ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana no natahoran’i Jesosy tao Getsemane; nambarany tamin’ny fanamafisana lehibe indrindra fa tonga Izy mba ho faty. Tao Getsemane dia natahotra Izy sao tsy hahavita hamakivaky amin’ny maha-Zanak’olona Azy. Hahavita hamakivaky amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy Izy — tsy afaka nikasika Azy teo i Satana; nefa ny fanafihan’i Satana dia ny hoe hamakivaky amin’ny maha-Olona mitoka-monina Azy ihany Izy; ary izany dia hidika fa tsy ho afaka ny ho Mpamonjy Izy. Vakio eo ambanin’ny fahazavan’ny fakam-panahy ny fitantarana ilay fijaliana mafy: "Dia nandao Azy vetivety ny devoly." Niverina tao Getsemane i Satana ary resy indray. Tao Getsemane no misy ny fanafihana farany nataon’i Satana tamin’ny Tompontsika amin’ny maha-Zanak’olona Azy.

Ny fijaliana mafy tao Getsemane dia ny fijaliana mafin’ny Zanak’Andriamanitra teo am-panatanterahana ny anjara notendrena ho Azy amin’ny maha-Mpamonjy izao tontolo izao Azy. Esorina ny efitra lamba mba hanehoana izay rehetra nafoiny hahafahantsika ho tonga zanak’Andriamanitra. Ny fijaliany mafy no fototry ny fahatsoran’ny famonjena antsika. Ny Hazofijalian’i Kristy dia fandresena ho an’ny Zanak’olona. Tsy famantarana fotsiny izany fa nandresy ny Tompontsika, fa nandresy Izy mba hamonjy ny taranak’olombelona. Afaka mamakivaky mankeo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ny olombelona rehetra noho izay nolalovan’ny Zanak’olona.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana