Fisaintsainana isan’andro

FAHITANA AMIN’NY ALALAN’NY TOETRAN’NY TENA MANOKANA

Miakara etỳ, dia hasehoko anao ny zavatra.

Apokalypsy 4:1

Ny toe-po misandratra dia tsy afaka mivoaka afa-tsy amin’ny fahazarana misandratra eo amin’ny toetran’ny tena manokana. Raha miaina araka izay avo indrindra fantatrao eo amin’ny lafin-javatra ivelany amin’ny fiainanao ianao, dia hilaza tsy tapaka Andriamanitra — "Ry namako, miakara ambony kokoa." Ny fitsipika volamena ao amin’ny fakam-panahy dia — Miakara ambony kokoa. Rehefa miakatra ambony kokoa ianao, dia miatrika fakam-panahy sy toetra hafa. Mampiasa ny paikadin’ny fanandratana ao amin’ny fakam-panahy i Satana, ary manao toy izany koa Andriamanitra, fa hafa ny vokany. Rehefa mametraka anao eo amin’ny toerana avo ny devoly, dia ataony mihahenjana mihoatra noho izay mety ho ren’ny nofo aman-dra na oviana na oviana ny hevitrao momba ny fahamasinana, ka manjary fampisehoana tsingolobatita[1] ara-panahy izany, mitsangana amim-pifandanjana fotsiny ianao ary tsy sahy mihetsika; fa rehefa manandratra anao amin’ny fahasoavany ho any amin’ny toerana any an-danitra Andriamanitra, raha tokony hahita tendro iray hifikirana ianao, dia mahita lembalemba lehibe izay mora ihetsehana.

Ampitahao amin’ny herinandro mitovy tamin’ny taona lasa ity herinandro ity ao amin’ny tantaranao ara-panahy ary jereo ny fomba niantsoan’Andriamanitra anao hiakatra ambony kokoa. Nentina hahita avy amin’ny fomba fijery ambony kokoa isika rehetra. Aza avela hanome anao teboka iray amin’ny fahamarinana izay tsy iainanao avy hatrany Andriamanitra. Tanteraho mandrakariva izany, mitoera ao amin’ny fahazavany.

Ny fitomboana amin’ny fahasoavana dia tsy refesina amin’ny tsy nihemoranao, fa amin’ny fanananao fahazavan-tsaina momba ny toerana misy anao ara-panahy; ianao dia efa nandre an’Andriamanitra nilaza hoe "Miakara ambony kokoa," tsy taminao manokana, fa tamin’ny fahazavan-tsain’ny toetranao.

"Hanafina amin’i Abrahama izay zavatra ataoko va Aho?" Tsy maintsy manafina amintsika izay ataony Andriamanitra mandra-pahatongantsika amin’ny alalan’ny toetrantsika manokana eo amin’ny toerana ahafahany manambara izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana