Fisaintsainana isan’andro

FAHITANA AMIN’NY ALALAN’NY FAHADIOVAN’NY TENA MANOKANA

Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra.

Matio 5:8

Tsy hoe tsy fananan-tsiny ny fahadiovana, fa mihoatra lavitra izany. Vokatry ny fiombonam-pihetseham-po ara-panahy maharitra amin’Andriamanitra ny fahadiovana. Tsy maintsy mitombo amin’ny fahadiovana isika. Mety ho marina ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra ary hijanona tsy voaloto ny fahadiovana ao anatiny, kanefa indraindray dia mety ho voaloto ny felany etỳ ivelany. Tsy miaro antsika amin’izany mety hitranga izany Andriamanitra, satria amin’izany fomba izany no ahatsapantsika fa ilaina ny mitazona ny fahitana amin’ny alalan’ny fahadiovan’ny tena manokana. Raha manomboka simba na dia kely indrindra aza ny felana ara-panahin’ny fiainantsika miaraka amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy avelantsika ny zavatra rehetra ka ahitsy izany. Tadidio fa miankina amin’ny toetra ny fahitana — ny madio am-po no mahita an’Andriamanitra.

Ataon’Andriamanitra madio amin’ny fahasoavany manjaka isika, nefa misy zavatra tokony hotandremantsika, dia ity fiainana ara-batana izay ifandraisantsika amin’ny olon-kafa sy amin’ny fomba fijery hafa ity, satria ireo no mora mandoto. Tsy ny fitoerana masina ao anatiny ihany no tsy maintsy tazonina ho marina amin’Andriamanitra, fa ny kianja etỳ ivelany koa dia tsy maintsy ampifanarahana tanteraka amin’ny fahadiovana omen’Andriamanitra antsika amin’ny fahasoavany. Manjary manjavozavo avy hatrany ny fahatakarana ara-panahy rehefa voaloto ny kianja etỳ ivelany. Raha hitazona fifandraisana manokana amin’i Jesosy Kristy Tompo isika, dia hidika izany fa misy zavatra tsy maintsy hamavoantsika ny hanao na hieritreritra, ary misy zavatra ara-dalàna tsy maintsy hamavoantsika ny hikasika.

Ny fomba azo tsapain-tanana hitazonana ny fahadiovan’ny tena manokana tsy ho voaloto eo amin’ny fifandraisana amin’ny olon-kafa dia ny milaza amin’ny tenanao — Io lehilahy io, io vehivavy io, tanteraka ao amin’i Kristy Jesosy! Io namana io, io havana io, tanteraka ao amin’i Kristy Jesosy!

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana