MIHENA HO AO AMIN’NY FIKASANY
“Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”
Jaona 3:30
Raha manjary ilain’ny fanahy iray ianao, dia mivoaka amin’ny filaminan’Andriamanitra. Amin’ny maha-mpiasa anao, ny andraikitrao lehibe dia ny ho naman’ny Mpampakatra. Raha vao mahita fanahy iray mahita ny fitakian’i Jesosy Kristy ianao, dia fantatrao fa nandeha tamin’ny lalana marina ny herinao miasa aminy, ary aza manatsotra tanana mba hisakana ny fijaliana mihetsiketsika mafy, fa mivavaha kosa mba hitombo avo folo heny izany mandra-pahatonga tsy hisy hery etỳ an-tany na any amin’ny helo afaka misakana izany fanahy izany tsy hankany amin’i Jesosy Kristy. Imbetsaka, dia manjary fitondran’Andriamanitra tsy matihanina isika, miditra isika ka misakana an’Andriamanitra; ary milaza — "Tsy maintsy tsy hisy izao sy izao." Raha tokony ho voaporofo fa naman’ny Mpampakatra isika, dia ataontsika manakantsakana ny fangorahantsika, ary indray andro any dia hilaza ilay fanahy — "Mpangalatra iny olona iny, nangalariny tamin’i Jesosy ny firaiketam-poko, ka very ny fahitako Azy."
Mitandrema tsy hiara-mifaly amin’ny fanahy iray amin’ny zavatra diso, fa ataovy azo antoka fa mifaly amin’ny zavatra marina ianao. "Ny naman’ny Mpampakatra . . . dia mifaly indrindra noho ny feon’ny Mpampakatra: koa tanteraka izao fifaliako izao. Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena." Izany dia lazaina amim-pifaliana fa tsy amim-palahelo — amin’ny farany dia hahita ny Mpampakatra izy ireo! Ary milaza i Jaona fa izany no fifaliany. Izany no famafana tanteraka ny mpiasa, tsy tsaroana intsony izy.
Miambena amin’ny herinao rehetra mandra-pandrenesanao ny feon’ny Mpampakatra eo amin’ny fiainan’ny hafa. Aza miraharaha izay faharavana entiny, izay korontana, izay firodanan’ny fahasalamana, fa mifalia amin’ny hafaliana feno hehy araka an’Andriamanitra raha vao re ny feony. Matetika ianao no mety hahita an’i Jesosy Kristy mandrava fiainana iray alohan’ny hamonjeny azy. (Jereo Matio 10:34.)