FINAMANANA AMIN’ANDRIAMANITRA
“Hanafina amin’i Abrahama izay zavatra ataoko va Aho?”
Genesisy 18:17
Ireo fifaliany.
Ity toko ity dia mampiseho ny fifaliana amin’ny tena finamanana amin’Andriamanitra raha ampitahaina amin’ny fahatsapana tsindraindray ny fanatrehany ao amin’ny vavaka. Ny mifandray be amin’Andriamanitra ka tsy mila mangataka Azy mihitsy haneho aminao ny sitrapony, dia manatona ny dingana farany amin’ny fampiofanana anao ao amin’ny fiainan’ny finoana. Rehefa marina ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, dia fiainam-pahafahana sy fahalalahana ary fifaliana izany, ianao no sitrapon’Andriamanitra, ary ny fanapahan-kevitrao rehetra araka ny saina mahazatra dia sitrapony ho anao raha tsy sakanany. Manapa-kevitra ao amin’ny finamanana tanteraka sy mahafaly amin’Andriamanitra ianao, sady mahafantatra fa raha diso ny fanapahan-kevitrao dia hisakana mandrakariva Izy; rehefa misakana Izy, dia mijanòna avy hatrany.
Ireo fahasahiranany.
Nahoana i Abrahama no nijanona tsy nivavaka tamin’ny fotoana nijanonany? Mbola tsy nanana fifandraisana akaiky ampy izy mba handrosoany amim-pahasahiana mandra-panomezan’Andriamanitra azy ny faniriany, mbola nisy zavatra tokony ho nirina teo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Isaky ny mijanona alohan’ny farany ao amin’ny vavaka isika ka milaza — "Eny, tsy fantatro; angamba tsy sitrapon’Andriamanitra izany," dia mbola misy dingana iray hafa tokony haleha. Tsy manana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra tahaka an’i Jesosy isika, sy araka izay tiany hahatongavantsika — "Mba hiray izy ireo tahaka ny iraisantsika." Eritrereto ny zavatra farany nangatahinao tamin’ny vavaka — nanolo-tena ho an’ny fanirianao ve ianao sa ho an’Andriamanitra? Tapa-kevitra ny hahazo fanomezana avy amin’ny Fanahy sa ny hahatongavana amin’Andriamanitra mihitsy? "Fantatry ny Rainareo any an-danitra izay zavatra ilainareo alohan’ny angatahanareo Aminy." Ny anton’ny fangatahana dia mba hahalalanao an’Andriamanitra bebe kokoa. "Mifalia amin’ny Tompo; dia homeny anao izay irin’ny fonao." Tohizo ny fivavahana mba hahazoana fahatakarana tanteraka an’Andriamanitra mihitsy.