Fisaintsainana isan’andro

NY LALAN’I ABRAHAMA AO AMIN’NY FINOANA

Nivoaka izy, nefa tsy fantany izay halehany.

Hebreo 11:8

Tao amin’ny Testamenta Taloha, dia niseho tamin’ny fisarahana ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra, ary aseho an’ohatra eo amin’ny fiainan’i Abrahama izany amin’ny fisarahany amin’ny taniny sy ny havany akaiky sy lavitra. Amin’izao andro izao ny fisarahana dia fisarahan’ny saina sy ny fitondran-tena bebe kokoa amin’ny fomba fijerin’ireo izay tiantsika indrindra ny zavatra, izany hoe, raha tsy manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra izy ireo. Nanantitrantitra izany i Jesosy Kristy (jereo Lioka 14:26).

Tsy fantatry ny finoana mihitsy izay itarihana azy, fa tiany sy fantany Ilay mitarika. Fiainan’ny Finoana, fa tsy fiainan’ny fahaiza-misaina sy ny fanjohian-kevitra izany, dia fiainan’ny fahafantarana Ilay mahatonga antsika "handeha." Ny fototry ny finoana dia ny fahalalana Olona iray, ary ny iray amin’ireo fandrika lehibe indrindra dia ilay hevitra fa azo antoka fa hitondra antsika amin’ny fahombiazana Andriamanitra.

Ny dingana farany eo amin’ny fiainan’ny finoana dia ny fahatratrarana ny toetra. Maro ny fiovan-tarehy amim-boninahitra mandalo eo amin’ny toetra; rehefa mivavaka isika dia tsapantsika mamihina antsika ny fitahian’Andriamanitra ary miova vetivety isika, avy eo dia miverina amin’ny andro sy fomba mahazatra isika ka levona ny voninahitra. Ny fiainan’ny finoana dia tsy fiainana misandratra amin’ny elatra, fa fiainana mandeha ka tsy reraka. Tsy resaka fanamasinana izany; fa zavatra mandroso lavitra tsy hita fetra noho ny fanamasinana, dia finoana nozahana sy voaporofo ary nahatohitra ny fitsapana. Tsy tandindon’ny fanamasinana i Abrahama, fa tandindon’ny fiainan’ny finoana, finoana nozahana miorina amin’Andriamanitra tena izy. "Nino an’Andriamanitra i Abrahama."

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana