HAMOHA NY TENAKO HO AMIN’IZANY VE AHO?
“Manatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.”
2Korintiana 7:1
"Koa manana ireo teny fikasana ireo isika." Mitaky ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra aho, ary ara-drariny izany, nefa lafiny maha-olombelona ihany izany; ny lafiny araka an’Andriamanitra dia ny fahafantarako amin’ny alalan’ireo teny fikasana ny fitakian’Andriamanitra amiko. Ohatra, tsapako ve fa tempolin’ny Fanahy Masina ny vatako, sa manana fahazaran’ny vatana izay miharihary fa tsy hahazaka ny fahazavan’Andriamanitra eo aminy aho? Amin’ny alalan’ny fanamasinana dia voaforona ato anatiko ny Zanak’Andriamanitra, avy eo dia tsy maintsy ovaiko endrika ho fiainana ara-panahy amin’ny fankatoavana Azy ny fiainako voajanahary. Manabe antsika hatrany amin’ny fisalasalana madinika ao amin’ny feon’ny fieritreretana[1] Andriamanitra. Rehefa manomboka misakana Izy, dia aza maka hevitra amin’ny nofo aman-dra, fa diovy avy hatrany ny tenanao. Tazòny ho madio ny tenanao amin’ny fandehananao isan’andro.
Tsy maintsy manadio ny tenako amin’ny fahalotoana rehetra amin’ny nofo sy ny fanahy aho mandra-pifanarahan’izy roa amin’ny toetran’Andriamanitra. Mifanaraka tanteraka amin’ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra ato anatiko ve ny sain’ny fanahiko, sa maditra ara-tsaina aho? Mamorona ny sain’i Kristy ve aho, dia Izy izay tsy niteny avy amin’ny zony amin’ny tenany mihitsy, fa nitazona fiambenana tao anatiny izay nampileferany tsy tapaka ny fanahiny tamin’ny Rainy? Manana andraikitra hitazona ny fanahiko hifanaraka amin’ny Fanahiny aho, ary asandratr’i Jesosy tsikelikely ho amin’ny toerana niainany aho — ao amin’ny fanokanana tanteraka ho an’ny sitrapon’ny Rainy, tsy miraharaha zavatra hafa. Manatanteraka izany karazam-pahamasinana izany amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ve aho? Mahazo ny lalany amiko ve Andriamanitra, ary manomboka mahita an’Andriamanitra bebe kokoa hatrany eo amin’ny fiainako ve ny olona hafa?
Ataovy amim-pahamatorana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ary avelao amim-pifaliana tsy hokitihina ny ambiny. Ataovy voalohany ara-bakiteny Andriamanitra.