Fisaintsainana isan’andro

NY FAMPIOFANANA AMIN’NY FAHATAIRANA MAHAKIVY

Ary raha nanaraka izy ireo, dia natahotra.

Marka 10:32

Tany am-piandohana dia nahazo antoka isika fa nahalala ny zavatra rehetra momba an’i Jesosy Kristy, nahafaly ny nivarotra ny zavatra rehetra sy nanipy ny tenantsika tao anatin’ny fahasahian’ny fitiavana; fa tsy tena mahazo antoka loatra isika izao. Eo aloha i Jesosy ary toa hafahafa Izy: "Nandeha teo alohan’izy ireo i Jesosy ka talanjona izy ireo."

Misy lafin’i Jesosy izay mampangatsiaka hatrany am-pototry ny fon’ny mpianatra ka mahatonga ny fiainana ara-panahy manontolo hifoka rivotra mafy. Ity Olona hafahafa manana tava "mafy toy ny afovato" sy fanapahan-kevitra miroso amin’ny dingana lehibe ity, dia mampihorohoro ahy. Tsy Mpanolotsaina sy Namana intsony Izy, fa variana amin’ny fomba fijery tsy fantatro, ary talanjona Aminy aho. Tamin’ny voalohany dia nahazo antoka aho fa nahatakatra Azy, fa tsy tena azoko antoka intsony izao. Manomboka mahatsapa aho fa misy elanelana eo amin’i Jesosy Kristy sy izaho; tsy afaka mifankazatra Aminy intsony aho. Eo alohako Izy ary tsy mitodika mihitsy; tsy fantatro izay toerana alehany, ary manjary lavitra amin’ny fomba hafahafa ny tanjona.

Tsy maintsy nandrefy hatrany amin’ny lalina ny fahotana rehetra sy ny alahelo rehetra mety hiainan’ny olona i Jesosy Kristy, ary izany no mahatonga Azy ho toa hafahafa. Rehefa mahita Azy amin’izany lafiny izany isika dia tsy mahalala Azy, tsy mahafantatra na dia toetra iray amin’ny fiainany aza isika, ary tsy mahalala ny fomba hanombohana hanaraka Azy. Eo aloha Izy, Mpitarika izay tena hafahafa, ary tsy manana fiombonana amin’ny maha-namana Aminy isika.

Tena ilaina eo amin’ny fiainan’ny maha-mpianatra ny fampiofanana amin’ny fahatairana mahakivy. Ny loza dia ny miverina any amin’ny afo kelintsika manokana ka mandrehitra hafanam-po eo (jereo Isaia 1:10-11). Rehefa tonga ny haizin’ny fahatairana mahakivy, dia miarèta mandra-pandalony, satria avy ao no hipoiran’ny fanarahana an’i Jesosy izay fifaliana tsy hay lazaina.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana