Fisaintsainana isan’andro

FANKATOAVANA

Mpanompon’izay ankatoavinareo ianareo.

Romana 6:16

Ny zavatra voalohany tokony hatao amin’ny fandinihana ny hery manjakazaka amiko dia ny handray ilay zava-misy tsy ankasitrahana fa izaho no tompon’andraikitra noho ny fanjakazakany amiko toy izany. Raha andevon’ny tenako aho, dia izaho no tokony homen-tsiny satria tamin’ny fotoana iray tany aloha be tany dia nilefitra tamin’ny tenako aho. Toy izany koa, raha mankatò an’Andriamanitra aho dia manao izany satria nampilefitra ny tenako Taminy.

Milefera amin’ny fitiavan-tena amin’ny fahazazana, dia ho hitanao fa izy no fanjakazakana mamatotra indrindra etỳ an-tany. Tsy misy hery ao amin’ny fanahin’olombelona samirery afaka manapaka ny fatoran’ny toe-panahy manjaka ao anaty niforona tamin’ny fileferana. Milefera na dia iray segondra aza amin’ny zavatra manana toetry ny filan-dratsy (tadidio izay atao hoe filan-dratsy: "Tsy maintsy azoko avy hatrany izany," na filan’ny nofo izany na filan’ny saina) — raha vao milefitra ianao dia andevo voafatotr’izany zavatra izany mandritra ny androm-piainana, na dia mety hankahala ny tenanao noho ny fileferana aza. Tsy misy fanafahana mihitsy ao amin’ny herin’olombelona fa ao amin’ny Fanavotana ihany. Tsy maintsy mampilefitra ny tenanao amim-pahafaham-baraka tanteraka amin’Ilay hany afaka manapaka ny hery manjakazaka ianao izany hoe, i Jesosy Kristy Tompo — "Nanosotra Ahy Izy . . . mba hitory fanafahana amin’ny babo rehetra."

Hitanao izany amin’ny fomba madinika mampihomehy indrindra — "Ô, afaka miala amin’izany fahazarana izany aho rehefa tiako." Tsy afaka ianao, ho hitanao fa manapaka anao tanteraka ilay fahazarana satria nilefitra taminy an-tsitrapo ianao. Mora ny mihira — "Hotapahiny ny fatorana rehetra" nefa miaina fiainana miharihary fa andevon’ny tena ihany koa. Ny fileferana amin’i Jesosy dia hanapaka ny endriky ny fanandevozana rehetra ao amin’ny fiainan’olombelona rehetra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana