FAHITANA
“Tsy naneho tsy fankatoavana tamin’ny fahitana avy any an-danitra aho.”
Asan’ny Apostoly 26:19
Raha very amintsika ny fahitana, dia isika irery no tompon’andraikitra, ary amin’ny fivoahan’ny hery ara-panahy no hahavery antsika ny fahitana. Raha tsy tanterahintsika amin’ny raharaha azo tsapain-tanana ny finoan-kevitsika momba an’Andriamanitra, dia tapitra ny fahitana nomen’Andriamanitra. Ny hany fomba hankatoavana ny fahitana avy any an-danitra dia ny hanomezana ny fara herintsika ho an’izay avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary tsy azo atao izany raha tsy amin’ny fahatsiarovana tsy tapaka sy hentitra ilay fahitana. Ny fitsapana dia ny enimpolo segondra isaky ny minitra, sy ny enimpolo minitra isaky ny ora, fa tsy ny fotoam-bavaka sy ny fivoriantsika ho amin’ny fanoloran-tena.
"Na dia mitaredretra aza izany, andraso ihany." Tsy afaka manatratra fahitana isika, fa tsy maintsy miaina ao amin’ny tsindrimandry avy aminy mandra-pahatanterany. Manjary mifantoka loatra amin’ny zavatra azo tsapain-tanana isika ka manadino ny fahitana. Tany am-piandohana dia nahita izany isika fa tsy niandry azy; nirohotra nankany amin’ny asa azo tsapain-tanana isika, ary rehefa tanteraka ilay fahitana, dia tsy hitantsika izany. Ny fiandrasana ilay fahitana mitaredretra no fitsapana ny fahatokiantsika amin’Andriamanitra. Mampidi-doza ny fahasalaman’ny fanahintsika ny maha-variana antsika amin’ny asa azo tsapain-tanana ka tsy hahitantsika ny fahatanterahan’ny fahitana.
Tandremo ny rivodozan’Andriamanitra. Amin’ny tadio ihany no amafazan’Andriamanitra ny olo-masiny. Ho voaporofo fa akofa foana[1] ve ianao? Hiankina amin’ny hoe tena miaina ao amin’ny fahazavan’izay hitanao ve ianao na tsia izany. Avelao Andriamanitra hanipy anao any ivelany, ary aza mandeha mandra-panaovany izany. Raha mifidy toerana ho anao samirery ianao, dia ho voaporofo fa akofa foana. Raha mamafy anao Andriamanitra, dia hamoa ianao.
Tena ilaina ny mampihatra ny fandehan’ny tongotra ao amin’ny fahazavan’ny fahitana.