Fisaintsainana isan’andro

MANÀNA HAFATRA ARY AOKA HO HAFATRA

Torio ny teny.

2Timoty 4:2

Tsy novonjena isika mba ho "fantsona fotsiny," fa mba ho zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra. Tsy ovana ho mpanelanelana ara-panahy isika, fa ho mpitondra hafatra ara-panahy; tsy maintsy ho ampahany amintsika ilay hafatra. Ny Zanak’Andriamanitra no hafany manokana, fanahy sy fiainana ny teniny; ary amin’ny maha-mpianany antsika dia tsy maintsy ho sakramentan’ny hafatsika ny fiainantsika. Hanao fanompoana betsaka araka izay tratrany ny fo voajanahary, fa mila fo torotoron’ny faharesen-dahatra ny amin’ny fahotana, natao batisa tamin’ny Fanahy Masina, ary naforiporitra ho ao amin’ny fikasan’Andriamanitra vao manjary sakramentan’ny hafany ny fiainana.

Misy fahasamihafana ny fanomezana fijoroana ho vavolombelona sy ny fitoriana. Ny mpitory dia olona nahatsapa ny antson’Andriamanitra ka tapa-kevitra hampiasa ny heriny rehetra mba hitory ny fahamarinan’Andriamanitra. Esorin’Andriamanitra amin’ny hevitsika manokana momba ny fiainantsika isika ary "kapohina mba hahazo endrika sy hampiasaina[1]," tahaka ireo mpianatra taorian’ny Pentekosta. Tsy nampianatra zavatra ny mpianatra ny Pentekosta; fa nanao azy ireo ho fahatongavana ho nofon’izay notoriny — "Ho vavolombeloko ianareo."

Omeo fahalalahana tanteraka Andriamanitra rehefa miteny ianao. Alohan’ny ahafahan’ny hafatr’Andriamanitra manafaka fanahy hafa, dia tsy maintsy tena misy ao aminao ny fanafahana. Angony ny akora ampiasainao, ary areheto izany rehefa miteny ianao.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana