Fisaintsainana isan’andro

NY FOTOAN’NY FIVERENANA AMIN’NY TOETRA TALOHA

Ianareo koa va te hiala?

Jaona 6:67

Fanontaniana manindrona. Tonga ao am-po indrindra ny tenin’ny Tompontsika rehefa miteny amin’ny fomba tsotra indrindra Izy. Fantatsika hoe Iza i Jesosy, nefa na eo aza izany dia hoy Izy — "Ianareo koa va te hiala?" Tsy maintsy mihazona toe-tsaina sahy manao vy very amin’ny fifandraisana Aminy mandrakariva isika.

"Hatramin’izany fotoana izany dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niara-nandeha Taminy intsony." Nihemotra tamin’ny fiarahana nandeha tamin’i Jesosy izy ireo, tsy niditra tao amin’ny fahotana, fa niverina tamin’ny toetra taloha. Maro amin’izao andro izao no mandany sy lanina amin’ny asa ho an’i Jesosy Kristy, nefa tsy miara-mandeha Aminy. Ny zavatra iray izay itazonan’Andriamanitra antsika tsy tapaka dia ny hampiray antsika amin’i Jesosy Kristy. Aorian’ny fanamasinana dia manaraka io lalana io ny fampiofanana ny fiainantsika ara-panahy. Raha manome fahatsapana mazava sy hentitra amin’ny fanahinao Andriamanitra momba izay tiany, dia aza miezaka mitazona ny tenanao ao amin’izany fifandraisana izany amin’ny fomba iray voafaritra manokana, fa miainà fiainana voajanahary miankina tanteraka amin’i Jesosy Kristy. Aza miezaka miaina ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra amin’ny lalana hafa noho ny lalan’Andriamanitra mihitsy, ary izany lalana izany dia fanoloran-tena tanteraka ho Azy. Ny fahazoana antoka fa tsy fantatro — izany no tsiambaratelon’ny fiarahana mandeha amin’i Jesosy.

Olona iray hitondra famonjena ho azy sy ho an’izao tontolo izao ihany no hitan’i Petera tao amin’i Jesosy. Tian’ny Tompontsika ho mpiara-mitondra zioga Aminy isika.

and. 70. Mamaly ny tsy fahampiana lehibe ao amin’i Petera i Jesosy. Tsy afaka mamaly ho an’ny hafa isika.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana