Fisaintsainana isan’andro

NY FIAINANA NAFOY

Voahombo tamin’ny hazo fijaliana miaraka amin’i Kristy aho.

Galatiana 2:20

Tsy misy olona tafaray amin’i Jesosy Kristy mihitsy mandra-panaikany an-tsitrapo hamoy tsy ny fahotana ihany, fa ny fomba fijeriny zavatra rehetra koa. Ny ateraka avy any ambony amin’ny Fanahin’Andriamanitra dia midika fa tsy maintsy mamotsotra isika alohan’ny hifikirana, ary amin’ny dingana voalohany dia ny famoizana ny fihamboana rehetra izany. Tsy fahatsarana, na fahitsiana, na ezaka no tian’ny Tompontsika hatolotsika Azy, fa fahotana tena izy sy mivaingana; izany ihany no azony raisina amintsika. Ary inona no omeny ho takalon’ny fahotantsika? Fahamarinana tena izy sy mivaingana. Fa tsy maintsy afointsika ny fihamboana rehetra ho zavatra iray, ny fitakiana rehetra ho mendrika ny fiheveran’Andriamanitra.

Dia hasehon’ny Fanahin’Andriamanitra antsika izay mbola tokony hafoy. Tsy maintsy hafoiko amin’ny lafiny rehetra ny fitakiako ny zoko amin’ny tenako. Manaiky an-tsitrapo ny hamoy ny fifikirako amin’izay rehetra ananako ve aho, ny fifikirako amin’ny firaiketam-poko, sy amin’ny zavatra rehetra, ary hiray amin’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy?

Misy fahadisoam-panantenana maranitra sy maharary tokony holalovana mandrakariva alohan’ny tena hahafoizantsika. Rehefa mahita ny tenany marina araka ny fahitan’ny Tompo azy ny olona iray, dia tsy ireo fahotan’ny nofo maharikoriko no manaitra azy, fa ny toetra mahatsiravina amin’ny avonavon’ny fony manokana manohitra an’i Jesosy Kristy. Rehefa mahita ny tenany ao amin’ny fahazavan’ny Tompo izy, dia tonga ao am-pony ny henatra sy ny horohoro ary ny faharesen-dahatra mafy.

Raha miatrika ny fanontaniana momba ny famoizana ianao, dia mandalòva ny krizy, afoizo ny zavatra rehetra, ary hataon’Andriamanitra ho sahaza amin’izay rehetra takiny aminao ianao.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana