Fisaintsainana isan’andro

EFA TSAPANAO VE NY RATRAN’NY TOMPO?

Hoy Jesosy taminy fanintelony, Tia Ahy va ianao?

Jaona 21:17

Efa tsapanao hatrany amin’ny nofo velona mora maratra tsy misarona ve ny ratran’ny Tompo, dia ilay toerana itoeran’ny tena fahatsapana mora maratra eo amin’ny fiainanao? Tsy mandratra eo mihitsy ny devoly, na ny fahotana na ny firaiketam-pon’olombelona koa tsy mandratra eo, tsy misy tonga hatrany amin’izany toerana izany afa-tsy ny tenin’Andriamanitra. "Nalahelo i Petera satria nilaza taminy fanintelony i Jesosy . . . ." Nanomboka nahatsapa izy fa tao amin’ny tena foiben’ny fiainany manokana dia nanolo-tena ho an’i Jesosy izy, ary nanomboka nahita ny hevitry ny fanontaniana tamim-paharetana. Tsy nisy na dia kofehy madinika tamin’ny fitaka aza tavela tao an-tsain’i Petera, tsy ho voafitaka intsony mihitsy izy. Tsy nisy toerana ho an’ny teny mirehitra, tsy nisy toerana ho an’ny hafaliana tafahoatra na ny fihetseham-po. Fanambarana taminy ny fahatsapana ny halehiben’ny fitiavany ny Tompo, ka nilaza tamim-pahatalanjonana izy — "Tompo ô, fantatrao ny zavatra rehetra." Nanomboka nahita ny halehiben’ny fitiavany an’i Jesosy i Petera; nefa tsy nilaza izy — "Jereo izao na izatsy mba hanamafisana izany." Nanomboka nahita tao amin’ny tenany ny halehiben’ny fitiavany ny Tompo i Petera, fa tsy nisy olona hafa tany an-danitra ambony na teto an-tany ambany afa-tsy i Jesosy Kristy; nefa tsy fantany izany mandra-pahatongan’ireo fanontanian’ny Tompo nandavaka, sady nandratra. Ny fanontanian’ny Tompo dia manambara ahy amin’ny tenako mandrakariva.

Endrey ny faharetan’ny fahitsiana sy ny fahaizan’i Jesosy Kristy tamin’i Petera! Tsy mametraka fanontaniana mihitsy ny Tompontsika raha tsy tonga ny fotoana mety. Mahalana, fa angamba indray mandeha, no hampidirany antsika eo amin’ny zorony izay handratrany antsika amin’ireo fanontaniany tsy mivily, ka ho tsapantsika fa lalina lavitra noho izay azon’ny fanambarana aseho na oviana na oviana ny fitiavantsika Azy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana