ILAY FANONTANIANA TSY MIVILY
“Tia Ahy va ianao?”
Jaona 21:17
Tsy manambara na inona na inona i Petera izao (jereo Matio 26:33-35). Milaza sy manambara ny maha-izy azy manokana voajanahary; ny fitiavan’ny maha-olona manokana kosa dia tsy hita raha tsy amin’ny ratra ateraky ny fanontanian’i Jesosy Kristy. Tia an’i Jesosy araka ny itiavan’ny olona voajanahary ny lehilahy tsara iray i Petera. Fitiavana avy amin’ny toe-po voajanahary izany; mety hiditra lalina ao amin’ny maha-izy azy manokana izany, nefa tsy mikasika ny ivon’ilay olona. Tsy manambara zavatra na oviana na oviana ny tena fitiavana. Hoy Jesosy — "Na iza na iza hanambara Ahy eo anatrehan’ny olona," izany hoe, manambara ny fitiavany tsy amin’ny teniny fotsiny, fa amin’izay rehetra ataony.
Raha tsy maratra ka afaka amin’ny fitaka rehetra momba ny tenantsika isika, dia tsy mahazo lalana ao amintsika ny tenin’Andriamanitra. Mandratra amin’ny fomba tsy hain’ny fahotana atao na oviana na oviana ny tenin’Andriamanitra, satria mampadonto ny fihetseham-po ny fahotana. Mampitombo ny fahatsapana ny fanontanian’ny Tompo, mandra-pahatonga ny fandratrana ataon’i Jesosy ho ratra faran’izay maharary azo eritreretina. Tsy amin’ny fomba voajanahary ihany no andratrany fa amin’ny fomba lalina mahakasika ny tena manokana. Manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ny tenin’ny Tompo, ka tsy misy fitaka tavela. Tsy misy fahafahana haneho fihetseham-po mamy amin’ny fanontanian’ny Tompo; tsy afaka milaza zavatra mahafinaritra ianao rehefa miteny mivantana aminao ny Tompo, satria mahatsiravina loatra ilay ratra. Ratra izay manindrona ka manala ny ahiahy hafa rehetra tsy ho isaina izany. Tsy mety hisy fahadisoana mihitsy momba ny ratra ateraky ny tenin’ny Tompo rehefa tonga amin’ny zanany izany; fa ny toerana andratrany no toerana lehibe isehoan’ny fanambarana.