Fisaintsainana isan’andro

INONA NO TIANAO HATAON’NY TOMPO HO ANAO?

Tompo ô, mba hahiratra aho.

Lioka 18:41

Inona ilay zavatra izay tsy vitan’ny hoe manelingelina anao fotsiny fa mahatonga anao ho mpanelingelina? Zavatra tsy vitanao samirery mandrakariva izany. "Niteny mafy azy izy ireo mba hanginany . . . fa vao mainka izy niantso mafy kokoa." Mahareta ao amin’ny fanelingelenana mandra-pahatonganao hifanatrika amin’ny Tompo mihitsy; aza atao andriamanitra ny saina mahazatra. Rehefa manontany antsika i Jesosy izay tiantsika hataony ho antsika momba ilay zavatra tsy azo inoana atrehintsika, dia tadidio fa tsy miasa amin’ny fomba araka ny saina mahazatra Izy, fa amin’ny fomba mihoatra ny voajanahary.

Jereo ny fomba amerantsika ny Tompo amin’ny fahatsiarovana izay navelantsika hataony ho antsika tamin’ny lasa: Tsy nahomby teo foana aho, ary tsy hahomby mandrakariva; noho izany dia tsy mangataka izay tiantsika isika. "Mampihomehy ny mangataka an’Andriamanitra hanao izany." Raha zavatra tsy azo atao izany, dia io no zavatra tsy maintsy angatahintsika. Raha tsy zavatra tsy azo atao izany, dia tsy tena fanelingelenana izany. Hanao ny tena tsy azo atao Andriamanitra.

Nahazo ny fahiratany io lehilahy io. Ny zavatra tsy azo atao indrindra aminao dia ny hampiraisana anao tanteraka amin’ny Tompo ka tsy hisy tavela amin’ny fiainana taloha. Hataony izany raha mangataka Aminy ianao. Fa tsy maintsy tonga eo amin’ny toerana izay inoanao fa Tsitoha Izy ianao. Tsy amin’izay lazain’i Jesosy no misy ny finoana fa ao Aminy mihitsy; raha mijery izay lazainy fotsiny isika dia tsy hino mihitsy. Raha vao mahita an’i Jesosy isika, dia manao ny zavatra tsy azo atao amin’ny fomba voajanahary tahaka ny fifohana rivotra Izy. Avy amin’ny hadalana inian’ny fontsika manokana ny fijaliantsika mafy. Tsy te hino isika, tsy te hanapaka ny tady mampifamatotra antsika amin’ny morontsiraka isika, fa aleontsika manohy manahy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana