NY ASA FANOMPOAN’I JESOSY ATAO MAHANTRA
“Koa avy aiza no anananao izany rano velona izany?”
Jaona 4:11
"Lalina ny fantsakana" — ary lalina lavitra noho izay fantatr’ilay vehivavy Samaritana! Eritrereto ny halalin’ny toetran’olombelona, ny fiainan’olombelona, eritrereto ny halalin’ireo "fantsakana" ao aminao. Efa nampahantra ny asa fanompoan’i Jesosy ve ianao ka tsy afaka manao na inona na inona Izy? Aoka hatao hoe misy fantsakan’ny fahoriana tsy hay refesina ao anatin’ny fonao, ary tonga i Jesosy ka milaza — "Aoka tsy hitebiteby ny fonao"; ary mampiaka-tsoroka ianao ka milaza, "Nefa, Tompo ô, lalina ny fantsakana; tsy afaka mampakatra fahanginana sy fampiononana avy ao Ianao." Tsia, hampidininy avy any ambony kosa ireo. Tsy mampakatra na inona na inona avy amin’ny fantsakan’ny toetran’olombelona i Jesosy. Mametra ny Iray Masin’Israely isika amin’ny fahatsiarovana izay navelantsika hataony ho antsika tamin’ny lasa, sy amin’ny filazana hoe, "Mazava ho azy fa tsy afaka manantena an’Andriamanitra hanao izany zavatra izany aho." Ilay zavatra mitsapa ny hery tsitoha no zavatra tokony hinoantsika mpianatr’i Jesosy fa hataony. Mampahantra ny asa fanompoany isika raha vao manadino fa Tsitoha Izy; ato anatintsika ny fampahantrana, fa tsy ao Aminy. Hankany amin’i Jesosy amin’ny maha-Mpampionona na Mpangoraka Azy isika, fa tsy hankany Aminy amin’ny maha-Tsitoha Azy.
Ny antony maha-ohatra mahantra amin’ny Kristianisma ny sasany amintsika dia ny tsy ananantsika Kristy Tsitoha. Manana toetra sy fanandramana Kristiana isika, fa tsy manana fahafoizan-tena tanteraka ho an’i Jesosy Kristy. Rehefa tafiditra ao amin’ny toe-javatra sarotra isika, dia mampahantra ny asa fanompoany amin’ny filazana — "Mazava ho azy fa tsy afaka manao na inona na inona Izy," ary mitolona midina any amin’ny lalina isika ka miezaka maka rano ho an’ny tenantsika. Mitandrema amin’ny fahafaham-po amin’ny filentika miverina sy ny filazana — "Tsy azo atao izany"; fantatrao fa azo atao izany raha mijery an’i Jesosy ianao. Lalina ny fantsakan’ny tsy fahafenoanao, fa manaova ezaka ary mitodiha mijery Azy.