AHIAHY AMBANY MOMBA AN’I JESOSY
“Tompoko, tsy manana fitaovana hantsakana Ianao.”
Jaona 4:11
"Mahatalanjona ahy izay lazain’Andriamanitra, nefa tsy afaka manantena ahy hiaina izany marina eo amin’ny antsipirian’ny fiainako Izy!" Rehefa miatrika an’i Jesosy Kristy araka ny fahamendrehany manokana isika, dia toe-tsaina manam-panahy araka an’Andriamanitra nefa mihevi-tena ho ambony no ananantsika — Avo ny idealinao ary mahatalanjona anay izany, fa rehefa mikasika ny zava-misy, dia tsy azo atao izany. Samy mieritreritra an’i Jesosy toy izany amin’ny lafiny iray manokana ny tsirairay amintsika. Ireo ahiahy momba an’i Jesosy ireo dia manomboka amin’ny fanontaniana feno fihomehezana apetraka amintsika rehefa miresaka momba ny fifampiraharahana ataontsika amin’Andriamanitra isika — Avy aiza no hahazoanao ny volanao? Ahoana no hikarakarana anao? Na manomboka avy ao anatintsika izany rehefa milaza amin’i Jesosy isika fa sarotra loatra ho Azy ny raharahantsika. Tsara ny milaza hoe "Matokia ny Tompo," nefa tsy maintsy miaina ny olona, ary tsy manana fitaovana hantsakana i Jesosy — tsy manana fomba hanomezana antsika ireo zavatra ireo. Mitandrema amin’ilay fitaka miseho ho manam-panahy araka an’Andriamanitra ao aminao izay milaza — Tsy manana ahiahy momba an’i Jesosy aho, fa momba ny tenako ihany. Tsy nisy amintsika nanana ahiahy momba ny tenantsika na oviana na oviana; fantatsika tsara izay tsy vitantsika, fa tena manana ahiahy momba an’i Jesosy isika. Somary maratra isika amin’ny fiheverana fa vitany izay tsy vitantsika.
Ny ahiahiko dia avy amin’ny fikarohako lalina ao amin’ny tenako mba hahitana ny fomba hahafahany manao izany. Avy amin’ny halalin’ny fahambanian’ny tenako ny fanontaniako. Raha mahita ireo ahiahy ireo ato anatiko aho, dia aoka hoentiko ao amin’ny mazava izy ireo ka hekena — "Tompo ô, nanana ahiahy momba Anao aho, tsy nino ny fahendrenao misaraka amin’ny ahy aho; tsy nino ny herinao tsitoha misaraka amin’ny fahatakarako voafetra azy aho."