Fisaintsainana isan’andro

NY FAMPIOFANANA AMIN’NY FIKIRIZANA ARA-PANAHY

Mangina, ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.

Salamo 46:10

Mihoatra noho ny fiaretana ny fikirizana, fa fiaretana miaraka amin’ny fahazoana antoka tanteraka fa hitranga izay andrasantsika. Mihoatra noho ny fifikirana ny fikirizana, satria ny fifikirana dia mety ho fahalemena fotsiny noho ny tahotra mafy sao latsaka. Ny fikirizana no ezaka fara tampony ataon’ny olona izay mandà tsy hino fa ho resy ilay maherifony. Ny tahotra lehibe indrindra ananan’ny olona dia tsy ny hoe hohelohina izy, fa ny hoe ho resy i Jesosy Kristy, ka tsy handresy amin’ny farany ireo zavatra nijoroany — fitiavana sy rariny ary famelan-keloka sy hatsaram-panahy eo amin’ny olona —; toa hazavana mamitaka manjavozavo[1] ireo zavatra ijoroany. Dia tonga ny antso ho amin’ny fikirizana ara-panahy, tsy hifikitra fotsiny ka tsy hanao na inona na inona, fa hiasa amim-piniavana eo amin’ny fahazoana antoka fa tsy ho resy Andriamanitra.

Raha diso fanantenana izao ny fanantenantsika, dia midika izany fa diovina izy ireny. Tsy misy zavatra mendrika efa nantenain’ny sain’olombelona na nofinofiny ka tsy ho tanteraka. Ny iray amin’ireo lehibe indrindra amin’ny fanerena eo amin’ny fiainana dia ny faneren’ny fiandrasana an’Andriamanitra. "Satria nitandrina ny tenin’ny faharetako ianao."

Mitoera ho mikiry ara-panahy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana