Fisaintsainana isan’andro

EFA VOATOSIKA HIHOATRA NY TENANAO HO AZY VE IANAO?

Nanao asa tsara ho Ahy izy.

Marka 14:6

Raha tsy mitondra ny olona hihoatra ny tenany ny fitiavan’olombelona, dia tsy fitiavana izany. Raha malina mandrakariva ny fitiavana, hendry mandrakariva, misaina sy mikajy mandrakariva, ka tsy voatosika hihoatra ny tenany mihitsy, dia tsy fitiavana velively izany. Mety ho firaiketam-po izany, mety ho hafanan’ny fihetseham-po izany, fa tsy manana ny tena toetry ny fitiavana ao anatiny.

Efa voatosika hanao zavatra ho an’Andriamanitra ve aho tsy noho izy adidiko, na noho izy mahasoa, na noho ny zavatra hafa ao aminy afa-tsy ny hoe tia Azy aho? Efa tsapako ve fa afaka mitondra amin’Andriamanitra zavatra izay sarobidy Aminy aho, sa manonofinofy manodidina ny halehiben’ny Fanavotany[1] nefa misy zavatra maro tsy tambo isaina azoko atao? Tsy zavatra araka an’Andriamanitra, goavana izay azo soratana ho mahatalanjona, fa zavatra tsotra, mahazatra ataon’olombelona izay hanome porofo amin’Andriamanitra fa mahafoy tena tanteraka ho Azy aho? Efa namokatra tao am-pon’i Jesosy Tompo izay novokarin’i Maria avy any Betania ve aho?

Misy fotoana izay toa mijery Andriamanitra mba hahitana raha hanome Azy ireo famantarana feno fahafoizan-tena ny amin’ny tena fitiavantsika Azy isika. Sarobidy kokoa noho ny fahamasinan’ny tena manokana ny fahafoizan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Mampifantoka ny maso amin’ny hafotsian’ny tenantsika ny fahamasinan’ny tena manokana; miahy mafy ny fomba fandehantsika sy firesatsika ary fijerintsika isika, ka matahotra sao manafintohina Azy. Roahin’ny fitiavana tanteraka izany rehetra izany raha vao mahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra isika. Tsy maintsy esorintsika izao hevitra izao — "Misy ilàna ahy ve?" ary tapa-kevitra fa tsy misy ilàna antsika isika, ka mety ho akaikin’ny fahamarinana isika. Tsy resaka maha-ilaina velively izany, fa resaka maha-sarobidy ho an’Andriamanitra mihitsy. Rehefa mahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra isika, dia miasa amin’ny alalantsika mandrakariva Izy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana