Fisaintsainana isan’andro

NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA MANOHITRA NY FANONOFISANA

Mitsangàna, andeha hiala eto isika.

Jaona 14:31

Marina ny manonofy zavatra iray mba hanaovana azy araka ny tokony ho izy; fa diso ny manonofy izany amin’ny fotoana tokony hanaovantsika azy. Rehefa avy nilaza ireo zavatra mahatalanjona ireo tamin’ny mpianany ny Tompontsika, dia mety ho nanantena isika fa hilaza amin’izy ireo Izy mba handeha ka hisaintsaina izany rehetra izany; nefa tsy namela ny "fanonofisana tsy misy antony[1]." mihitsy ny Tompontsika Rehefa mifandray amin’Andriamanitra isika mba hahitana izay tiany, dia marina ny manonofy; fa rehefa mirona handany ny fotoanantsika amin’ny fanonofisana izay nasaina nataontsika isika, dia zavatra ratsy izany ary tsy eo aminy mihitsy ny fitahian’Andriamanitra. Ny fandraisan’Andriamanitra andraikitra dia manana toetra toy ny tsindrona manohitra izany karazana fanonofisana izany mandrakariva, dia ilay tsindrona mandidy antsika mba "tsy hipetraka na hijoro fa handeha."

Raha miandry amim-pahanginana eo anatrehan’Andriamanitra isika ary hoy Izy — "Avia hitokana ianareo," dia fisaintsainana eo anatrehan’Andriamanitra izany mba hahafantarana ny lalana tiany; fa mitandrema mandrakariva tsy hanolo-tena amin’ny fanonofisana fotsiny rehefa avy niteny Andriamanitra. Avelao Izy ho loharanon’ny nofinao sy ny fifalianao ary ny fahafinaretanao rehetra, dia mivoaha ary ankatoavy izay nolazainy. Raha tia ianao, dia tsy mipetraka ka manonofy ny amin’ilay tianao mandritra ny fotoana rehetra, fa mandeha ka manao zavatra ho azy; ary izany no andrasan’i Jesosy Kristy hataontsika. Ny fanonofisana rehefa avy niteny Andriamanitra dia famantarana fa tsy matoky Azy isika.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana