NY FANAPAHAN-KEVITRA HANOMPO
“Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo.”
Matio 20:28
Mitovy amin’ny an’ny Tompontsika ny hevitr’i Paoly momba ny fanompoana: "Eo aminareo Aho tahaka izay manompo;" "ny tenanay kosa dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesosy." Mihevitra isika fa ny olona antsoina ho amin’ny asa fanompoana dia antsoina ho karazan’olona hafa noho ny olona hafa. Araka an’i Jesosy Kristy, dia antsoina ho "tsihy famafana tongotra" ho an’ny olon-kafa izy; ho mpitarika azy ara-panahy, fa tsy ho ambony noho izy mihitsy. "Mahay ny atao ambany aho," hoy Paoly. Izao no hevitr’i Paoly momba ny fanompoana — "Handany ny tenako hatramin’ny farany ho anareo aho; afaka midera ahy na manome tsiny ahy ianareo, tsy hisy fahasamihafana izany." Raha mbola misy olombelona tsy mahalala an’i Jesosy Kristy, dia manana trosa aminy aho hanompo azy mandra-pahalalany Azy. Tsy fitiavana olona no loharano manosika ny fanompoan’i Paoly, fa fitiavana an’i Jesosy Kristy. Raha manolo-tena ho an’ny raharahan’ny olombelona isika, dia ho torotoro sy ho ratram-po tsy ho ela, satria matetika isika no hihaona amin’ny tsy fankasitrahana betsaka kokoa avy amin’ny olona noho izay ho azontsika avy amin’ny alika; fa raha fitiavana an’Andriamanitra no antony manosika antsika, dia tsy misy tsy fankasitrahana afaka misakana antsika tsy hanompo ny mpiara-belona amintsika.
Ny fahatsapan’i Paoly ny fomba nitondran’i Jesosy Kristy azy no tsiambaratelon’ny fanapahan-keviny hanompo ny hafa. "Mpandainga nianiana aho taloha, mpanevateva an’Andriamanitra, olona mpandratra" — na manao ahoana na manao ahoana ny fitondran’ny olona ahy, dia tsy hitondra ahy amin’ny lolompo sy fankahalana izay nitondrako an’i Jesosy Kristy mihitsy izy ireo. Rehefa tsapantsika fa nanompo antsika hatramin’ny faran’ny fahambanian-tsaintsika, ny fitiavan-tenantsika, ary ny fahotantsika i Jesosy Kristy, dia tsy misy zavatra sendra antsika avy amin’ny hafa afaka mandany ny fanapahan-kevitsika hanompo olona noho ny Aminy.