NY AINGAM-PANAHIN’NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA ARA-PANAHY
“Mitsangàna amin’ny maty.”
Efesiana 5:14
Tsy avy amin’ny tsindrimandry avokoa ny fandraisana andraikitra rehetra. Mety hilaza aminao ny olona iray — "Mahereza[1], raiso amin’ny tendany ny tsy fahazotoanao, atsipazo any ivelan’ny sambo izany, dia mandehana miditra ao amin’ilay zavatra!" Fandraisana andraikitra mahazatra ataon’olombelona izany. Fa rehefa miditra ny Fanahin’Andriamanitra ka miteny, raha fintinina, hoe "Mahereza," dia hitantsika fa avy amin’ny tsindrimandry ilay fandraisana andraikitra.
Samy manana fahitana sy idealy maro tsy tambo isaina isika rehefa tanora, nefa na ho ela na ho haingana dia hitantsika fa tsy manana hery hampanjary azy ireny ho tena zava-misy isika. Tsy vitantsika ny manao ireo zavatra iriantsika hatao, ary mora manaiky isika fa maty ireo fahitana sy idealy, ka tsy maintsy tonga Andriamanitra ary milaza — "Mitsangàna amin’ny maty." Rehefa tonga tokoa ny tsindrimandrin’Andriamanitra, dia tonga amin’ny hery mahagaga lehibe ka afaka mitsangana amin’ny maty sy manao ny zavatra tsy azo atao isika. Ny zavatra miavaka momba ny fandraisana andraikitra ara-panahy dia hoe tonga ny fiainana rehefa avy manao ilay antso hoe "mahereza." Tsy omen’Andriamanitra antsika ny fiainana mandresy; omeny antsika ny fiainana rehefa mandresy isika. Rehefa tonga ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ary hoy Izy — "Mitsangàna amin’ny maty," dia tsy maintsy mitsangana isika; tsy manandratra antsika Andriamanitra. Hoy ny Tompontsika tamin’ilay lehilahy maina tanana — "Ahinjiro ny tananao," ary raha vao nanao izany ilay lehilahy, dia sitrana ny tanany, fa tsy maintsy nandray andraikitra izy. Raha manaiky an-tsitrapo ny hanao ilay fandresena isika, dia ho hitantsika fa omen’Andriamanitra tsindrimandry isika satria manome fiainana avy hatrany Izy.