NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA MANOHITRA NY FAHAKETRAHANA
“Mitsangàna ka mihinàna.”
1Mpanjaka 19:5
Tsy nanome fahitana an’i Elia ny anjely, na nanazava ny Soratra Masina taminy, na nanao zavatra miavaka; nilaza tamin’i Elia izy mba hanao ny zavatra tsotra indrindra, izany hoe, hitsangana sy hihinana. Raha tsy tratran’ny fahaketrahana mihitsy isika dia tsy ho velona; toetran’ny kristaly ny tsy hiharan’ny fahaketrahana mihitsy. Mety ho tratran’ny fahaketrahana ny olombelona, raha tsy izany dia tsy hanana fahafahana hasandratra. Misy zavatra natao hampahaketraka, zavatra manana ny toetry ny fahafatesana; ary rehefa manombana ny tenanao ianao, dia diniho mandrakariva ny fahafahana ho tratran’ny fahaketrahana.
Rehefa tonga ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy manome fahitana antsika Izy, fa milaza amintsika hanao ny zavatra tsotra indrindra azo eritreretina. Mora mampivily antsika hiala amin’ny zavatra tsotra sy mahazatra noharian’Andriamanitra ny fahaketrahana, fa isaky ny tonga Andriamanitra, ny tsindrimandry dia ny hanao ny zavatra voajanahary sy tsotra indrindra — ireo zavatra izay tsy noeritreretintsika mihitsy fa nisy an’Andriamanitra, ary rehefa manao azy isika dia hitantsika fa eo Izy. Ny tsindrimandry tonga amintsika amin’izany fomba izany dia fandraisana andraikitra manohitra ny fahaketrahana; tsy maintsy manao ny zavatra manaraka isika ary manao izany amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Raha manao zavatra mba handresena ny fahaketrahana isika, dia vao mainka mampitombo ny fahaketrahana; fa raha ampahatsapan’ny Fanahin’Andriamanitra avy hatrany fa tsy maintsy manao ilay zavatra isika, ka ataontsika izany, dia lasa ny fahaketrahana. Raha vao mitsangana sy mankatò isika, dia miditra amin’ny ambaratongam-piainana ambony kokoa.