Fisaintsainana isan’andro

NY FAMPIOFANANA AMIN’NY FITANDREMANA AMIM-PANKATOAVANA

Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia lazao ao amin’ny mazava: ary izay renareo ao amin’ny sofina, dia torio eny ambonin’ny tafon-trano.

Matio 10:27

Indraindray dia ampandalovin’Andriamanitra amin’ny fampiofanana amin’ny haizina isika mba hampianatra antsika hitandrina sy hankatò Azy. Ampianarina hihira ao amin’ny maizina ny vorona mpihira, ary apetraka ao amin’ny aloky ny tanan’Andriamanitra isika mandra-pianarantsika mandre Azy. "Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina" — tandremo izay ametrahan’Andriamanitra anao ao amin’ny haizina, ary rehefa eo ianao dia tampeno ny vavanao. Ao amin’ny maizina ve ianao izao noho ny toe-javatra misy anao, na eo amin’ny fiainanao miaraka amin’Andriamanitra? Koa mangina. Raha manokatra ny vavanao ao amin’ny maizina ianao, dia hiteny amin’ny toe-po diso: ny haizina no fotoana hihainoana. Aza miresaka izany amin’ny olon-kafa; aza mamaky boky mba hahitana ny anton’ny haizina, fa mihainoa ary mitandrema ka mankatò. Raha miresaka amin’ny olon-kafa ianao, dia tsy afaka mandre izay lazain’Andriamanitra. Rehefa ao amin’ny maizina ianao, mihainoa, dia hanome anao hafatra tena sarobidy ho an’olon-kafa Andriamanitra rehefa tonga ao amin’ny mazava ianao.

Aorian’ny fotoana rehetra nisian’ny haizina dia tonga ny fifangaroan’ny fifaliana sy ny fahafaham-baraka (raha fifaliana ihany no misy, dia mampametra-panontaniana ahy raha tena nandre an’Andriamanitra isika), fifaliana noho ny fandrenesana an’Andriamanitra miteny, fa indrindra fahafaham-baraka — Ela loatra vao nandre izany aho! Ela loatra vao nahatakatra izany aho! Kanefa efa nilaza izany nandritra izao andro sy herinandro rehetra izao Andriamanitra. Ankehitriny dia omeny anao ny fanomezana ny fahafaham-baraka izay mitondra ny fahalefahan’ny fo hihaino an’Andriamanitra mandrakariva ankehitriny.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana