NY FANOLORAN-TENA AMIN’NY FANDRENESANA
“Mitenena; fa mandre ny mpanomponao.”
1Samoela 3:10
Satria nihaino zavatra iray avy amin’Andriamanitra tamim-pahatapahan-kevitra aho, dia tsy midika izany fa hihaino izay rehetra lazainy aho. Amin’ny hamafin’ny foko sy ny saiko manoloana izay lazainy no anehoako amin’Andriamanitra fa sady tsy tia no tsy manaja Azy aho. Raha tia ny namako aho, dia fantatro ho azy izay tiany, ary hoy Jesosy, "Namako ianareo." Efa tsy nankatò didin’ny Tompoko ve aho tamin’ity herinandro ity? Raha fantatro fa didin’i Jesosy izany, dia tsy ho minia tsy mankatò izany aho; fa ny ankamaroantsika dia maneho tsy fanajana an’Andriamanitra toy izany ka tsy mandre akory izay lazainy, toy ny hoe tsy niteny mihitsy Izy.
Ny anjaran’ny fiainako ara-panahy dia ny hiray amin’i Jesosy Kristy ka handre an’Andriamanitra mandrakariva aho, ary fantatro fa mandre ahy mandrakariva Andriamanitra (Jaona 11:41). Raha tafaray amin’i Jesosy Kristy aho, dia mandre an’Andriamanitra aho, amin’ny alalan’ny fanoloran-tena amin’ny fandrenesana mandrakariva. Ny lilia iray, na hazo iray, na mpanompon’Andriamanitra iray, dia mety hampita ny hafatr’Andriamanitra amiko. Ny maha-variana ahy amin’ny zavatra hafa no manakana ahy tsy handre. Tsy hoe tsy te hihaino an’Andriamanitra aho, fa tsy eo amin’ny toerana mety no ametrahako ny fanoloran-tenako. Manolo-tena amin’ny zavatra aho, amin’ny fanompoana, amin’ny faharesen-dahatra, ary mety hilaza izay tiany Andriamanitra fa tsy mandre Azy aho. Izao mandrakariva no toe-pon’ny zaza, "Mitenena, Tompo ô, fa mandre ny mpanomponao." Raha tsy namboly io fanoloran-tena amin’ny fandrenesana io aho, dia amin’ny fotoana sasany ihany no andrenesako ny feon’Andriamanitra; amin’ny fotoana hafa dia variana amin’ny zavatra aho — ireo zavatra lazaiko fa tsy maintsy ataoko, ary manjary marenina Aminy aho, tsy miaina ny fiainan’ny zaza aho. Efa nandre ny feon’Andriamanitra ve aho androany?