TSY MAINTSY MIHAINO VE AHO?
“Ary hoy izy ireo tamin’i Mosesy, Mitenena aminay ianao dia handre izahay: fa aoka tsy hiteny aminay Andriamanitra, fandrao maty izahay.”
Eksodosy 20:19
Tsy minia tsy mankatò an’Andriamanitra isika, fa tsy mitandrina sy mankatò Azy fotsiny. Efa nomen’Andriamanitra antsika ny didiny; eo izy ireo, nefa tsy tandremantsika akory, tsy noho ny tsy fankatoavana an-tsitrapo fa satria tsy tia sy tsy manaja Azy isika. "Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko." Raha vao tsapantsika fa "tsy nanaja" an’Andriamanitra nandritra izany fotoana rehetra izany isika, dia rakotry ny henatra sy fahafaham-baraka satria tsy nitandrina sy nankatò Azy.
"Mitenena aminay ianao . . . fa aoka tsy hiteny aminay Andriamanitra." Asehontsika ny fahakelin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra amin’ny fisafidianana hihaino ny mpanompony ihany. Tiantsika ny mihaino fijoroana ho vavolombelona manokana, nefa tsy irintsika ny hitenenan’Andriamanitra mihitsy amintsika. Nahoana isika no matahotra mafy sao miteny amintsika Andriamanitra? Satria fantatsika fa raha miteny Andriamanitra, dia tsy maintsy atao ilay zavatra na tsy maintsy milaza amin’Andriamanitra isika fa tsy hankatò Azy. Raha ny feon’ny mpanompo ihany no rentsika, dia tsapantsika fa tsy mandidy izany, afaka milaza isika hoe, "Eny, hevitrao manokana fotsiny izany, na dia tsy mandà aza aho fa mety ho fahamarinan’Andriamanitra izany."
Mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana manala baraka ve aho satria efa nitondra ahy ho zanany Izy nefa izaho tsy niraharaha Azy nandritra izany fotoana rehetra izany? Rehefa tena mandre Azy aho, dia miverina amiko ilay fanalam-baraka nataoko Taminy — "Tompo ô, nahoana aho no donto sy maditra toy izany?" Izany mandrakariva no vokatra rehefa tena mandre an’Andriamanitra isika. Ny fifaliana marina amin’ny fandrenesana Azy dia ampitonena amin’ny henatra noho ny fotoana naharitra vao nandre Azy.