Fisaintsainana isan’andro

FANAMASINANA EO NO HO EO SY MITAKY TSY AN-KIATO

Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo tanteraka.

1Tesaloniana 5:23-24

Rehefa mivavaka mba hohamasinina isika, voaomana hiatrika ny fenitr’ireo andininy ireo ve isika? Raisintsika maivana loatra ny teny hoe fanamasinana. Voaomana amin’ny vidin’ny fanamasinana ve isika? Hitaky ny famerana mafy ny zavatra mahaliana antsika rehetra etỳ an-tany izany, sy ny fanitarana goavana ny zavatra mahaliana antsika rehetra ao amin’Andriamanitra. Ny fanamasinana dia midika fifantohana mafy amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra. Midika izany fa afatotra sy tehirizina ho an’ny fikasan’Andriamanitra irery ihany ny hery rehetra amin’ny vatana, ny aina ary ny fanahy. Voaomana ve isika hanaovan’Andriamanitra ato anatintsika izay rehetra nanasarahany antsika? Ary rehefa vita ato anatintsika ny asany, voaomana ve isika hanasaraka ny tenantsika ho an’Andriamanitra tahaka ny nataon’i Jesosy mihitsy? "Noho ny amin’izy ireo no anamasinako ny tenako." Ny antony tsy nidiran’ny sasany amintsika tao amin’ny fanandramana ny fanamasinana dia ny tsy nahafantarantsika ny hevitry ny fanamasinana araka ny fomba fijerin’Andriamanitra. Ny fanamasinana dia midika fanaovana antsika ho iray amin’i Jesosy ka ny toe-panahy izay nanapaka Azy no hanapaka antsika. Voaomana amin’ny vidin’izany ve isika? Hitaky ny zavatra rehetra ato anatintsika izay tsy avy amin’Andriamanitra izany.

Voaomana hoentina ao anatin’ny fihetsik’ity vavak’i Paoly apostoly ity ve isika? Voaomana ny hilaza ve isika — "Tompo ô, ataovy masina araka izay azonao anamasinana mpanota voavonjy tamin’ny fahasoavana aho"? Efa nivavaka i Jesosy mba ho iray Aminy isika tahaka ny maha-iray Azy amin’ny Ray. Ny toetra tokana sady hany ananan’ny Fanahy Masina ao amin’ny olona iray dia fitoviana mazava amin’i Jesosy Kristy tahaka ny an’ny iray fianakaviana, sy fahafahana amin’ny zavatra rehetra tsy mitovy Aminy. Voaomana hanokana ny tenantsika ho an’ny asa fanompoan’ny Fanahy Masina ato anatintsika ve isika?

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana