RERAKA ARA-PANAHY VE IANAO?
“Andriamanitra mandrakizay . . . tsy mba reraka, na sasatra.”
Isaia 40:28
Ny faharerahana dia midika fa lany tanteraka ny herin’aina. Ny faharerahana ara-panahy dia tsy avy amin’ny fahotana mihitsy fa avy amin’ny fanompoana ihany, ary miankina amin’ny toerana ahazoanao ny vatsinao ny haharerahanao na tsia. Hoy Jesosy tamin’i Petera — "Fahano ny ondriko," nefa tsy nomeny na inona na inona hamahanana azy ireo izy. Ny fizotran’ny fanaovana anao ho mofo voavaky sy divay nararaka dia midika fa tsy maintsy ho sakafo ho an’ny fanahy hafa ianao mandra-pianarany hihinana avy amin’Andriamanitra. Tsy maintsy hotrohiny hatramin’ny faikany ianao. Mitandrema mba hahazoanao ny vatsinao, raha tsy izany dia ho reraka tanteraka ianao tsy ho ela. Alohan’ny hianaran’ny fanahy hafa haka mivantana avy amin’ny fiainan’i Jesosy Tompo, dia tsy maintsy maka izany amin’ny alalanao izy ireo; tsy maintsy "hotrohina[1]," ara-bakiteny ianao mandra-pianarany haka ny sakafony amin’Andriamanitra. Adidintsika amin’Andriamanitra ny ho tsara indrindra ho an’ny zanak’ondriny sy ny ondriny ary ho Azy koa.
Namitaka anao ho amin’ny faharerahana ve ny fomba nanompoanao an’Andriamanitra? Raha izany, dia angony indray ny firaiketam-ponao. Taiza no nanombohanao ny fanompoana? Avy amin’ny fangorahanao manokana sa avy amin’ny fototry ny Fanavotan’i Jesosy Kristy? Miverena tsy tapaka any amin’ny fototry ny fitiavanao ary tsarovy izay misy ny loharanon’ny hery. Tsy manan-jo hilaza ianao — "Ry Tompo ô, tena reraka aho." Namonjy sy nanamasina anao Izy mba handaniana anao. Aoka ho reraka ho an’Andriamanitra ianao, fa tadidio fa avy Aminy ny vatsinao. "Ao Aminao ny loharanoko vaovao rehetra."