Fisaintsainana isan’andro

VONONA HATOLOTRA VE IANAO?

Eny, ary raha aidina ho fanatitra eo ambonin’ny sorona sy ny fanompoana avy amin’ny finoanareo aho, dia faly sy miara-mifaly aminareo rehetra aho.

Filipiana 2:17

Manaiky an-tsitrapo ny hatolotra ho an’ny asan’ny mahatoky ve ianao — handraraka ny ran’ainao ho fanatitra aidina eo ambonin’ny soron’ny finoan’ny hafa? Sa hoy ianao — "Tsy mbola hatolotra aho izao, tsy tiako hofidin’Andriamanitra ny asako. Tiako hofidiana ny toerana isehoan’ny sorona ataoko; tiako hisy ny karazan’olona mety hijery ka hilaza, 'Tsara izany.'

Zavatra iray ny mandroso amin’ny lalana manirery sady manana herim-po mendrika, fa zavatra hafa tanteraka kosa raha midika ho tsihy famafana tongotra eo ambanin’ny tongotry ny olon-kafa ny zotra nosoritan’Andriamanitra ho anao. Eritrereto hoe tian’Andriamanitra hampianarina hilaza ianao, "Mahay ny atao ambany aho" — vonona hatolotra toy izany ve ianao? Vonona ny tsy ho na dia rano indray mitete ao anaty siny aza ve ianao — ho tsy manan-danja tanteraka ka tsy hotsaroana intsony mihitsy ianao raha ny amin’ny fiainana notompoinao? Manaiky an-tsitrapo ny handany sy holanina ve ianao; tsy mitady hotompoina, fa hanompo? Ny olo-masina sasany dia tsy afaka manao asa ambany sady mijanona ho olo-masina satria ambanin’ny fahamendrehany izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana