NY FIANDRIANANA MANDRESY SY MANAPAKA AVY AMIN’NY HERY MAHA-OLONA
“Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay.”
2Korintiana 5:14
Milaza i Paoly fa fehezina, resena ka tapahina tanteraka, tazonina toy ny eo anelanelan’ny valanorano vy[1], noho ny fitiavan’i Kristy izy. Vitsy dia vitsy amintsika no mahalala ny dikan’ny hoe voafihin’ny fitiavan’Andriamanitra; ny faneren’ny fanandramantsika ihany no mihazona antsika. Ny zavatra iray nitazona an’i Paoly, mandra-pahatonga tsy hisy zavatra hafa intsony teo amin’ny faravodilaniny, dia ny fitiavan’Andriamanitra. "Ny fitiavan’i Kristy no manery anay" — rehefa mandre izany feo izany ao amin’ny lehilahy na vehivavy ianao, dia tsy ho diso mihitsy. Fantatrao fa mahazo lalana tsy voasakana ao amin’izany fiainana izany ny Fanahin’Andriamanitra.
Rehefa ateraky ny Fanahin’Andriamanitra indray isika, dia mifantoka amin’izay nataon’Andriamanitra ho antsika ny feon’ny fijoroana ho vavolombelona, ary rariny izany. Fa ny batisan’ny Fanahy Masina dia mamafa izany mandrakizay, ary manomboka mahatsapa izay tian’i Jesosy holazaina isika rehefa nilaza Izy — "Ho vavolombeloko ianareo." Tsy vavolombelon’izay azon’i Jesosy atao — fijoroana ho vavolombelona ambaratonga voalohany izany — fa "vavolombeloko." Horaisintsika ho toy ny mitranga Aminy izay rehetra mitranga, na fiderana izany na fanomezan-tsiny, fanenjehana na fankasitrahana. Tsy misy afaka mijoro toy izany ho an’i Jesosy Kristy raha tsy teren’ny fiandrianan’ny heriny maha-Olona. Io no hany zavatra manan-danja, ary ny mahagaga dia izy no zavatra farany tsapan’ny mpiasa Kristiana. Milaza i Paoly fa voafihin’ny fitiavan’Andriamanitra izy, izany no antony anaovany zavatra araka izay ataony. Mety hiantso azy ho adala na salama saina ny olona, fa tsy mampaninona azy izany; zavatra iray ihany no ivelomany, dia ny handresy lahatra ny olona momba ny seza fitsaran’Andriamanitra, sy momba ny fitiavan’i Kristy. Io fahafoizan-tena tanteraka ho an’ny fitiavan’i Kristy io no hany zavatra mamoa eo amin’ny fiainana, ary hamela mandrakariva ny fahatsapana ny fahamasinana sy ny herin’Andriamanitra izany, fa tsy ny fahamasinantsika manokana velively.