NY ANTSON’ANDRIAMANITRA
“Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara.”
1Korintiana 1:17
Lazain’i Paoly eto fa ny antson’Andriamanitra dia ny hitory ny filazantsara; kanefa tadidio izay tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe "ny filazantsara," izany hoe, ny zava-misy amin’ny Fanavotana ao amin’ny Tompontsika Jesosy Kristy. Mora ataontsika ho fiafarana manontolon’ny fitoriantsika ny fanamasinana. Miresaka ny fanandramany manokana ho fanoharana i Paoly, fa tsy ho fiafaran’ilay raharaha mihitsy. Tsy misy toerana anirahina antsika hitory famonjena na fanamasinana; nirahina hanandratra an’i Jesosy Kristy isika (Jaona 12:32). Fanodinkodinana mahatsiravina ny milaza fa niaritra fijaliana mafy tao amin’ny Fanavotana i Jesosy Kristy mba hahatonga ahy ho olo-masina. Niaritra fijaliana mafy tao amin’ny Fanavotana i Jesosy Kristy mba hanavotra izao tontolo izao manontolo, ka hametraka azy tsy simba sy tafarina eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Ny fahafahantsika miaina ny Fanavotana dia fanoharana ny herin’ny zava-misy amin’ny Fanavotana, fa tsy izany no fiafaran’ny Fanavotana. Raha olombelona Andriamanitra, dia ho toy inona ny fahararian’ny fony sy ny faharerany noho ny fangatahana tsy tapaka ataontsika momba ny famonjena antsika, momba ny fanamasinana antsika. Mandreraka ny heriny hatramin’ny maraina ka hatramin’ny alina amin’ny zavatra ho an’ny tenantsika isika — zavatra tokony hanafahana ahy! Rehefa mikasika ny vatolampy fototry ny zava-misy amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra isika, dia tsy hanelingelina an’Andriamanitra intsony amin’ny fitarainana madinika momba ny tenantsika.
Ny firehetam-po tokana teo amin’ny fiainan’i Paoly dia ny hitory ny Filazantsaran’Andriamanitra. Noraisiny an-tanan-droa ny ratram-po, ny fahadisoam-panantenana, ny fahoriana, noho ny antony iray ihany, satria ireo zavatra ireo no nitazona azy tamin’ny fanoloran-tena tsy voahozongozona ho an’ny Filazantsaran’Andriamanitra.