NY FANEREN’NY ANTSO
“Lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!”
1Korintiana 9:16
Mitandrema sao manentsin-tsofina amin’ny antson’Andriamanitra ianao. Izay rehetra voavonjy dia antsoina hijoro ho vavolombelon’izany; nefa tsy izany no antso hitory, fa fanoharana fotsiny ao amin’ny fitoriana izany. Ny fanaintainana nateraky ny fanerena hitory ny Filazantsara tao anatiny no resahin’i Paoly. Aza ampiharina na oviana na oviana amin’ny fanahy mifandray amin’Andriamanitra mba hahazo famonjena izay lazain’i Paoly amin’ity toe-javatra ity. Tsy misy mora kokoa noho ny hoe voavonjy satria asam-piandrianan’Andriamanitra izany — Mankanesa atỳ Amiko dia hovonjeko ianao. Tsy mametraka velively ny fepetran’ny maha-mpianatra ho fepetran’ny famonjena ny Tompontsika. Voaheloka ho amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny Hazofijalian’i Jesosy Kristy isika. Misy safidy ny maha-mpianatra — "RAHA misy olona . . . "
Ny tenin’i Paoly dia momba ny fanaovana antsika ho mpanompon’i Jesosy Kristy, ary tsy angatahina velively ny fanomezan-dàlantsika momba izay hataontsika na izay halehantsika. Ataon’Andriamanitra mofo voavaky sy divay nararaka isika mba hampifaly ny tenany. Ny hoe "natokana ho amin’ny filazantsara" dia midika hoe mandre ny antson’Andriamanitra; ary rehefa manomboka mandre an-kolaka izany antso izany ny olona iray, dia manomboka ny fijaliana mafy izay tena mendrika izany anarana izany. Tapahina dieny mbola hitsimoka ny fanirian-daza rehetra, vonoina ny fanirian’ny fiainana rehetra, foanana sy fafana tanteraka ny fomba fijery rehetra, afa-tsy zavatra iray ihany — "natokana ho amin’ny filazantsara." Lozan’ny fanahy izay miezaka mametraka ny tongony amin’ny lalana hafa raha vantany vao tonga taminy izany antso izany. Misy ho anao ity Kolejy ity, ary ianao — mba hahitana raha manana lehilahy na vehivavy eto Andriamanitra izay miahy ny hitory ny Filazantsarany; mba hahitana raha mamikitra anao Andriamanitra. Ary mitandrema amin’ireo mpifaninana rehefa tena mamikitra anao Andriamanitra.