NEFA TOA TSY AZO INOANA MIHITSY FA METY HISY HANENJIKA AN’I JESOSY TOY IZANY!
“Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?”
Asan’ny Apostoly 26:14
Mikiry hanaraka ny lalako manokana ho an’Andriamanitra ve aho? Tsy afaka amin’ity fandrika ity mihitsy isika mandra-pampidirana antsika ao amin’ny fanandramana ny batisan’ny Fanahy Masina sy ny afo. Hanindrona an’i Jesosy Kristy mandrakariva ny ditra sy ny sitrapon-tena. Mety tsy handratra olon-kafa izany, fa mandratra ny Fanahiny. Isaky ny maditra sy manaraka ny sitrapon-tenantsika ary mikiry amin’ny faniriantsika manokana isika, dia mandratra an’i Jesosy. Isaky ny mijoro amin’ny zontsika sy manizingizina fa izao no kasaintsika hatao isika, dia manenjika an’i Jesosy. Isaky ny mijoro amin’ny fahamendrehantsika isika dia mampahatezitra sy mampalahelo tsy tapaka ny Fanahiny; ary rehefa tonga ao am-pontsika ny fahalalana fa i Jesosy no nenjehintsika nandritra izany fotoana rehetra izany, dia io no fanambarana manorotoro indrindra mety hisy.
Tena maranitra amiko ve ny tenin’Andriamanitra rehefa ampitaiko aminareo izany, sa ny fiainako no mampandainga ireo zavatra ambarako fa ampianariko? Mety hampianatra momba ny fanamasinana aho nefa mampiseho ny fanahin’i Satana, dia ilay fanahy izay manenjika an’i Jesosy Kristy. Zavatra iray ihany no fantatry ny Fanahin’i Jesosy — firaisana tanteraka amin’ny Ray, ary hoy Izy, "Mianara Amiko, fa malemy fanahy sady manetry tena am-po Aho." Izay rehetra ataoko dia tokony hiorina amin’ny firaisana tanteraka Aminy, fa tsy amin’ny fanapahan-kevitra entin’ny sitrapon-tena ny ho araka an’Andriamanitra. Midika izany fa mora hampanaovina zavatra aho, mora hararaotina, mora tsy horaharahaina; fa raha manaiky izany noho ny Aminy aho, dia misakana an’i Jesosy Kristy tsy hohenjehina.