JEREO INDRAY ARY ERITRERETO
“Aza manahy ny amin’ny ainareo.”
Matio 6:25
Fampitandremana iray mila averimberina ny hoe ny fiahiahiana momba izao tontolo izao, ny fitaky ny harena, ary ny filan’ny zavatra hafa rehefa miditra, dia hanakenda izay rehetra apetrak’Andriamanitra ao. Tsy afaka amin’ny onja miverimberina amin’izao fananiham-bohitra izao mihitsy isika. Raha tsy tonga amin’ny lafin’ny fitafiana sy ny sakafo izany, dia ho tonga amin’ny lafin’ny vola na ny tsy fisian’ny vola; ny namana na ny tsy fisian’ny namana; na amin’ny lafin’ny toe-javatra sarotra. Fananiham-bohitra tsy miato mandrakariva izany, ary raha tsy avelantsika ny Fanahin’Andriamanitra hanandratra ny faneva hanoherana azy, dia hiditra ireo zavatra ireo toy ny safo-drano.
"Aza manahy ny amin’ny ainareo." "Zavatra iray ihany no tandremo," hoy ny Tompontsika — "ny fifandraisanareo Amiko." Miantsoantso mafy ny saina mahazatra ka manao hoe — "Tsy misy dikany izany, tsy maintsy mandinika ny fomba hivelomako aho, tsy maintsy mandinika izay hohaniko sy hosotroiko aho." Milaza i Jesosy fa tsy tokony hanao izany ianao. Mitandrema tsy hamela ilay eritreritra hoe nataon’Olona tsy mahatakatra ny toe-javatra manokana misy antsika io fanambarana io. Mahafantatra ny toe-javatra misy antsika mihoatra noho isika i Jesosy Kristy, ary milaza Izy fa tsy tokony hieritreritra ireo zavatra ireo isika ka hanao azy ho hany ahiahin’ny fiainantsika. Isaky ny misy fifaninanana, dia ataovy azo antoka fa ny fifandraisanao amin’Andriamanitra no ataonao voalohany.
"Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy." Hatraiza ny ratsy efa nanomboka nandrahona anao androany? Karazana devoly kely ratsy fanahy toy inona no nitsirika ka nilaza — Koa inona no hataonao amin’ny volana ho avy — amin’ity fahavaratra ity? "Aza manahy na inona na inona," hoy Jesosy. Jereo indray ary eritrereto. Tazòny eo amin’ilay "mainka" avy amin’ny Rainao any an-danitra ny sainao.