OVAN’NY FAHITANA LALINA
“Isika rehetra, amin’ny tava tsy misarona, mijery toy ny eo amin’ny fitaratra ny voninahitry ny Tompo, dia ovana hanahaka izany endrika izany.”
2Korintiana 3:18
Ny toetra miavaka indrindra amin’ny Kristiana dia izao fahatsorana tsy misarona eo anatrehan’Andriamanitra izao ka manjary fitaratra ho an’ny fiainan’ny hafa ny fiainany. Ovana isika rehefa feno ny Fanahy, ary manjary fitaratra rehefa mibanjina. Fantatrao mandrakariva rehefa nisy olona nibanjina ny voninahitry ny Tompo, tsapanao ao amin’ny fanahinao lalina fa izy no fitaratry ny toetran’ny Tompo mihitsy. Mitandrema amin’izay rehetra mety handoto io fitaratra ao aminao io; saika zavatra tsara foana izany, dia ny tsara izay tsy ny tsara indrindra.
Izao no fitsipika volamena ho an’ny fiainanao sy ny ahy dia ny fitazonana ny fiainana hisokatra amin’Andriamanitra amin’ny fifantohana. Aoka ny zavatra hafa rehetra — asa, fitafiana, sakafo, ny zavatra rehetra etỳ an-tany — hafoy, afa-tsy io zavatra iray io. Ny firohotan’ny zavatra hafa dia mirona mandrakariva hanakona io fifantohana amin’Andriamanitra io. Tsy maintsy mitana ny tenantsika eo amin’ny toerana ibanjinana isika, ka mitazona ny fiainana ho ara-panahy tanteraka hatrany. Aoka ny zavatra hafa ho avy sy handeha araka izay mety ho izy, aoka ny olon-kafa hitsikera araka izay tiany, fa aza avela mihitsy hisy zavatra hanakona ny fiainana izay miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra. Aza manaiky hopaohina hiala amin’ny fifandraisana mitoetra ao Aminy mihitsy. Io no zavatra iray izay mora miovaova nefa tsy tokony hiova. Ny fampiofanana henjana indrindra eo amin’ny fiainan’ny Kristiana dia ny mianatra ny fomba hitazonana ny "fibanjinana toy ny eo amin’ny fitaratra ny voninahitry ny Tompo."