Fisaintsainana isan’andro

INONA NO JEREKO?

Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo.

Isaia 45:22

Miandry an’Andriamanitra ho tonga amintsika miaraka amin’ny fitahiany ka hamonjy antsika ve isika? Hoy Izy — Mijere Ahy, dia ho voavonjy. Ny fahasahiranana lehibe indrindra ara-panahy dia ny mampifantoka ny saintsika amin’Andriamanitra, ary ny fitahiany mihitsy no manasarotra izany. Saika mahatonga antsika hijery an’Andriamanitra mandrakariva ny fahoriana; mora mahatonga antsika hijery any an-kafa kosa ny fitahiany. Raha fintinina, izao no fampianaran’ny Toriteny teo An-tendrombohitra — Ferano ny zavatra mahaliana anao rehetra mandra-pahatonga ny toe-tsaina sy ny fo ary ny vatana hifantoka amin’i Jesosy Kristy. "Mijere Ahy."

Maro amintsika no manana hevitra ao an-tsaina momba izay tokony ho toetran’ny Kristiana, ary manjary sakana tsy hampifantoka antsika amin’Andriamanitra ny fiainan’ny olo-masina. Tsy misy famonjena amin’izany lalana izany, tsy tsotra loatra izy. "Mijere Ahy" ary — tsy hoe "ho voavonjy ianareo," fa "voavonjy ianareo." Ilay zavatra tadiavintsika indrindra, dia ho hitantsika raha manaiky hampifantoka ny saintsika Aminy isika. Variana sy sosotra amin’Andriamanitra isika, nefa mandritra izany rehetra izany Izy dia miteny — "Mijere etỳ ambony dia ho voavonjy." Ny fahasahiranana sy ny fitsapana — ny fivezivezen’ny saintsika mitady izay hataontsika amin’ity fahavaratra ity, na rahampitso, dia levona avokoa rehefa mijery an’Andriamanitra isika.

Mifohaza ary mijere an’Andriamanitra. Apetraho Aminy ny fanantenanao. Na dia misy zavatra zato sy iray maneritery aza, esory tsy amim-pisalasalana izy rehetra ary mijere Azy. "Mijere Ahy," ary misy, amin’ny fotoana ijerenao indrindra ny famonjena.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana